Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 03 Febroary 2018
Mihainoa ny Tenin'ny Tompo
1 Petera 3.8-12
8 [Famporisihana mba hitondra tena marina sy hiaritra tahaka ny niaretan'i Kristy] Farany, miraisa saina ianareo rehetra. ka miaraha ory, mifankatiava tahaka ny mpirahalahy, mifamindrà fo, manetre tena, 9 tsy mamaly ratsy ny ratsy, na fanaratsiana ny fanaratsiana; fa aoka hisaotra kosa, satria ho amin'izany no niantsoana anareo mba handova fitahiana. 10 "Fa na iza na iza maniry fiainana sy ta-hahita andro soa, Aoka izy hiaro ny lelany amin'ny ratsy Ary ny molony mba tsy hiteny fitaka; 11 Ary aoka izy hiala amin'ny ratsy ka hanao soa; Aoka izy hitady fihavanana sy hanaraka azy. 12 Fa ny mason'ny Tompo dia mitsinjo ny marina, Ary ny sofiny mihaino ny fitarainany, Fa ny tavan'ny Tompo dia tezitra amin'ny mpanao ratsy" (Sal. 34.12-16).Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
1 Petera 3.8-12
Mizara roa ny olona rehetra
1-Ireo izay hasoavin’ny Tompo
Inoana fa zavatra katsahin’ny maro izany hoe: ho lava andro iainana izany. Mariky ny fitahiana izany ! Tsy tonga ho azy amin’izao anefa izany araka ny ambaran’i Petera eto fa misy fepetra tsy maintsy atao hahazoana azy . Misy ve ny fahavononan’ny olona , ny mpino na ny kristiana hikatsaka izany amin’ny alalan’ny fanarahana ny tari-dàlana avy amin’ny Tompo ? Izany no hanavahana ny olona mba hisitraka ny fahasoavan’ny Tompo , dia ireo jereny raha misy manjo ary henoiny raha mangata-javatra Aminy . Mandray fahasoavana manokana avy amin’ Andriamanitra ity sokajin’olona ity . Ny mpino mifikitra sy mametraka ny fiainany amin’ny Tompo izany .
2-Ireo izay tezerany
Tsy vaovao amin’ny olona velively , indrindra ho an’ny mpino kristiana izany fitarihana azy hisitraka ny fanasoavan’ny Tompo izany . Matetika anefa dia fanaon’ny olona ny tsy miraharaha izay re sy ambara aminy satria ny olona dia tonga amin’izay lazain’i Isaia mpaminany manao hoe: mijery ihany izy fa tsy mahita ary mihaino ihany izy fatsy mandre . Ampahafantarina antsika anefa fa isan’ireo izay tezeran’ Andriamanitra ny olona manao izay fa tsy mba hasoaviny . Ny anton’ny nilazan’ Andriamanitra izany zavatra izany eto dia tiany raha mba isan’ny hisitraka ny fahasoavany ny mpanara-dia Azy . Mbola manome fotoana ho anao hanapahanao hevitra amin’ny fironana manaraka Azy ary izao teny izao ka tsy isan’izay hotezerany ianao.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM