Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 05 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin'ny Tompo 

Jaona 12.44-50
44 Ary Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy. 45 Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy. 46 Izaho tonga amin'izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin'ny maizina izay rehetra mino Ahy. 47 Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao. 48 Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin'ny andro farany, 49 satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko. 50 Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain'ny Ray tamiko.

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Jaona 12.44-50

Ny olona  miaina  ao anaty fahazavana  

1-Mino  an’ Andriamanitra 

Miroborobo ny fiangonana samihafa. Maro amin’izy ireny no mitompo teny fantatra fa tena manana ny fahamarinana sy manana an’Andriamanitra ary atobak’ Andriamanitra  aminy sy ho an’izay manaraka azy ny fiadanana sy ny vola aman-karena. Amin’ny  teny hafa dia hoe : mihevi-tena ho hany mahafantatra « ny  tena fahazavana » izy ireny. Vokatr’izany dia roboka ny olona . Tokony hataontsika an-tsaina anefa fa ny Tenin’Andriamanitra dia tena làlana hananan’ny  olona   sy hahafahan’ny  olona miaina izany fahazavana izany. Io Tenin’Andriamanitra io no mitondra mazava ary isika protestanta dia manome toerana lehibe ny Tenin’Andriamanitra. Hoy I Jesoa : »izay mino Ahy dia hahita ny Ray ary hiaina ao anaty fahazavana satria ny Ray no fahazavana »  (jereo  1 Jao 1.5). Koa minoa  ny Tompo, fa izay  mino Azy  dia handray ny teniny  hitondra mazava  ho amin’ny fiainany  .

2-Mitandrina  ny Tenin’ny Tompo

Voalaza eto   ny hoe: raha misy   mandre  ny teniko  ka tsy mitandrina  dia  ho voatsara. Fantatry  ny  olona izany tontolon’ny fitsarana izany. Eto dia habaribary amintsika izany fitsarana izany mba hiheverana ny atao amin’ny maha-kristianina antsika. Raha misy olona tokony hisitraka ny fahafahana sy fahazavana omanin’ny Tompo ho an’ny mpanara-dia Azy dia isika kristianina. Tsy tokony hisalasala ny amin’izany isika, kanefa tsy mandeha ho azy izany, satria tsy rehefa manana anarana kristianina dia hanana fahazavana sy fahafahana amin’izao. Tsia, fa ireo  izay mankato sy mitandrina ny Tenin’Andriamanitra ihany .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM