Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 27 Febroary 2018
Mihainoa ny Tenin'ny Tompo
1Mpanjaka 11. 38-39
38 Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin'ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon'i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao*, tahaka izay nataoko ho an'i Davida, ary homeko anao ny Isiraely. [Heb. hanao trano maharitra ho anao] 39 Ary hampietry ny taranak'i Davida kosa Aho noho izany, nefa tsy ho mandrakizay.Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
1Mpanjaka 11. 38-39
Ny olom-boafidin’ Andriamanitra 
1-Manaraka ny toro-làlana avy amin’ Andriamanitra
Aseho fa Andriamanitra mihitsy no mifidy sy hametraka an’i Jeroboama ho mpanjakan’Israely rehefa hizara roa ny fanjakana . Manoloana izany andraikitra izany dia mananatra an’i Jeroboama Izy mba tsy handeha amin’izay tiany hitondrany ny fanjakana izy fa manaraka ny toro-marika avy amin’ Andriamanitra hatrany . Adidiny ny mihaino ny Tenin’ Andriamanitra ambara aminy , ny manaraka ny làlana voasoritr’ Andriamanitra hizorana ary indrindra ny miaina sy ny mivelona amin’izany .
2-Ampanantenana fitahiana
Raha manaraka tsara ny toro-marika omen’ Andriamanitra azy i Jeroboama dia voalaza eto fa hotanterahin’ Andriamanitra aminy ny fiainam-pitahiana : »ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao … ary omeko anao ny Israely« . Maneho izany fa fahombiazana ho an’ny fitondran’ny olom-boafidin’ Andriamanitra ny fanekena hihaino sy handray ny toro-marika omeny . Izay tsy mety mihaino , tsy mandray kosa dia fahapotehana sy faharavana . Meteza ianao hihaino , handray ny toro-marika avy amin’ny Tenin’ Andriamanitra hitondranao ny fiainanao dia ho tsapanao fa fiainam-pitahiana hotanterahiny ho anao .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM