Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 06 Febroary 2018
Mihainoa ny Tenin'ny Tompo
Isaia 51.4-8
4 Mihainea Ahy, ry vahoakako, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena. 5 Akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; izaho no hantenain'ny nosy, ary ny sandriko no andrasany. 6 Andrandrao ho amin'ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka, ary tany ho tahaky ny lamba mangarahara, ary ny mponina ao dia ho faty tampoka*; fa ny famonjena kosa haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako tsy mba ho rava.[Na: tahaka ny fahafatin'ny moka] 7 Mihainoa ahy, ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao; aza matahotra ny latsa ataon'ny zanak'olombelona, na manahy noho ny faharatsiany. 8 Fa ny kalalao hihinana azy tahaka ny fihinan-damba, ary lolo fotsy hihinana azy tahaka ny fihinam-bolon'ondry; fa ny fahamarinako haharitra mandrakizay, ary famonjena hihatra amin'ny taranaka fara-mandimby.Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Isaia 51.4-8
Ny lalàn’ Andriamanitra 
Ny lalàna ao amin’ny Testamenta taloha dia tsy enti-milaza didy aman-dalàna, fa ny sitrapon’ Andriamanitra . Raha ny momba ny lalàna voasoratra aza dia enti-milaza ny Soratra masina amin’ny ankapobeny izany , ka niteraka ny hoe:lalàn’i Mosesy , izay ny fizarana voalohany ao amin’ny Testamenta taloha. Koa andeha hotsorina hoe: ny lalàn’ Andriamanitra dia ny Tenin’ Andriamanitra sy ny sitrapony .
Natao hamonjena ny olony ny lalàna . Raha ny fihevitry ny olona ny lalàna amin’ny ankapobeny dia natao hangejana sy hamoretana fotsiny , na dia mety hisy aza izay mihevitra azy ho ambonin’ny lalàna . Raha misy olona voaheloka , na tena nanao ilay heloka voalaza izy na tsia , satria mety hisy olona voaendrikendrika fotsiny, rehefa avoakan’ny mpanao lalàna ny valim-pitsarana dia voaheloka ilay olona . Hafa noho izany fiheverana izany no aroson’ny Tompo eto , satria natao hamonjena ny olona indrindra ny lalàna . Izao no voalaza : »Hisy lalàna hivoaka avy Amiko ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena , akaiky ny fahamarinako , efa nivoaka ny famonjeko« . Tsy mpamaly ny olona araka ny nataony ihany Andriamanitra , fa Tompo manomana famonjena ho an’ny olony Izy , amin’ny alalan’ny lalàna hitondrany ny vahoaka . Mavesa-danja ary mitondra fiainana ny Tenin’ Andriamanitra , na ny lalàna fa tsy mangeja . Mpitaiza antsika ho amin’i Kristy aza ny lalàna (Gal 3.24) . Koa ampitoero ao am-pontsika i Jesoa Kristy , satria Izy no faran’ny lalàna (Rom 10.4) .Koa ampitoero ao am-pontsika i Jesoa Kristy , satria Izy no faran’ny lalàna (Rom 10.4) . Aza atao fahazarana fotsiny ny fivavahana Aminy fa fiainana ho anao izany .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM