Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 08 Febroary 2018
Mihainoa ny Tenin'ny Tompo
Jeremia 11.1-5
1 [Ny nivadihan'ny Isiraely tamin'ny fanekena nataon'i Jehovah taminy, sy ny nanao azy noho izany] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah: 2 Mihainoa ny tenin'izao fanekena izao ianareo, ary mitenena amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema, 3 Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: ho voaozona izay olona tsy mankatò ny tenin'izao fanekena izao, 4 Izay nandidiako ny razanareo tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, dia avy tao amin'ny memy fandrendreham-by, ka nanaovako hoe: Mihainoa ny feoko, ary mankatoava ireny araka izay rehetra andidiako anareo, dia ho oloko ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo, 5 Mba hotoviko ny fianianana izay nianianako tamin'ny razanareo, dia ny hanomezana azy tany tondra-dronono sy tantely tahaka ny amin'izao anio izao. Dia namaly aho ka nanao hoe: Ho izany tokoa anie*, Jehovah ô![Heb. Amena]Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Jeremia 11.1-5
Izay tsy manaiky ny Tenin’ Andriamanitra
1-Ho voaozona
Rehefa niantso an’i Abrahama Andriamanitra dia nanao fanekena taminy (Gen 17.7-14) ary nitohy tamin’ny taranany rehetra izany fanekena izany ka nipaka hatramin’i Jesoa Kristy ilay fanekena vaovao . Raha fintinina ny fanekena nataon’ny Tompo, dia izao: Izy Tompo ho Andriamanitry ny olona hanaovany fanekena , ary ireo hanaovany fanekena kosa ho vahoakany . Hitahy ny olona sy hiaro ary hanao izay hahatomombana ny fiainan’ny olona amin’ny lafiny rehetra Andriamanitra , fa ny olona kosa dia hanompo Azy , hivavaka Aminy , tsy hanana Andriamanitra afa-tsy Izy . Efa natao àry ny fanekena ka ny olona izay mivadi-panekena no atao hoe: ho voaozona eto . Mila mitandrina isika ka ny fanekena ny Tenin’ Andriamanitra no hahatonga antsika ho ao anatin’izany .
2-Tsy handova ny tany Kanana
Ny fankatoavana an’ Andriamanitra sy fanarahana ny Teniny no anisan’ny voizin’ny Soratra masina fa antoka hisitrahana ny tany nomena ny vahoakan’ Andriamanitra . Azo hamarinina ao anatin’ny tantaram-pirenen’Israely izany , fa raha vao te-hivadika amin’ny fanekena ny Israely , na tsy mankato dia tonga ny fahavalo te-handroaka azy eo amin’ny tany Kanana . Izay mankato no hisitraka ny tany sy handova ny tany (Jer 11.5). Marina ara-bakiteny izany amin’ny fanomezana antsika ny tanindrazantsika , kanefa tsarovy fa tsy hisitraka ny Kanana vaovao nomanin’i Jesoa ho antsika isika raha tsy manana ny fanahin’ny fankatoavana . Ny fepetra handovana « ny tany » dia tsotra ihany : mankato ny Tenin’ Andriamanitra sy mitoetra amin’ny fanekena .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM