Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Zoma, faha 09 Febroary 2018
Mihainoa ny Tenin'ny Tompo
Jaona 10.22-30
22 Ary tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro. 23 Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan'ny tempoly teo amin'ny Fialofan'i Solomona. 24 Dia nitangoronan'ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay. 25 Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin'ny anaran'ny Raiko no manambara Ahy. 26 Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan'ny ondriko. 27 Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy, 28 ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin'ny tanako. 29 Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin'ny tanan'ny Ray. 30 Izaho sy ny Ray dia iray ihany.Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Jaona 10.22-30
Izay te- hahafantatra an’i Jesoa Kristy
1-Taomina hino ny Teniny
Misy faniriana mafy te-hahafantatra marina an’i Jesoa Kristy eto.Tokony ho fantatry ny Jiosy ny momba izany Mesia na Kristy izany . Voalaza fa tsy vao izao ihany akory no nanontany izany ireto Jiosy ireto ary tsy vao izao koa i Jesoa no namaly izany nefa mbola misisika manontany hatrany izy ireo . Raha ny zava-bitan’i Jesoa mantsy no jerena dia te-hanaiky Azy ho Kristy izy ireo , saingy ny fahalalany an’i Jesoa ho zanak’i Josefa sy Maria Azy no mibahana ao am-pony . Raha vao manana fiheverana manokana an’i Jesoa isika , fa tsy mifototra amin’ny fanambaran’ny Soratra masina dia tsy hahalala marina an’i Jesoa ho Kristy . Fahalalana ivelany no mety hananantsika . Koa esory ny fiheverana sy fahalalana an’i Jesoa araka ny fijerin’olombelona , raha te-hahalala marina an’i Jesoa ho Kristy isika .
2-Ilazany ny fiombonany amin’ny Ray
Ambaran’i Jesoa Kristy koa fa iray ihany Izy sy ny Ray (and30). Tsy zakan’ny Jiosy velively anefa izany , ka nahatonga azy ireo hankahala an’i Jesoa . Io maha-iray an’i Jesoa sy ny Ray io no maha- Andriamanitra Azy , ary izany no mampiavaka ny finoana kristiana amin’ny fivavahana hafa.Fototra iorenan’ny finoana kristiana ny finoana an’i Jesoa ho Tompo sy Mpamonjy , araka ny fanekena nataontsika fony noraisina ho Mpandray , dia milaza fa Andriamanitra Izy amintsika . Koa esory ny fisalasalana , aoka tsy ho tahaka ireto Jiosy ireto ny kristiana mitondra ny Anaran’i Kristy .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM