Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 12 Febroary 2018
Mihainoa ny Tenin'ny Tompo
Levitikosy 26.3-8
3 Raha manaraka ny lalàko sy mitandrina ny didiko ianareo ka mankatò izany, 4 dia hanome anareo ranonorana amin'ny fotoany Aho, ka hahavoka-javatra ny tany, ary hamoa ny hazo any an-tsaha. 5 Ary ny taom-pivelezanareo dia ho tratry ny taom-piotazam-boaloboka, ary ny taom-piotazam-boaloboka dia ho tratry ny taom-pamafazana dia hihinana ianareo ka ho voky; ary handry fahizay eo amin'ny taninareo. 6 Any homeko fiadanana eo amin'ny tany ianareo ka handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra, fa hofongorako ny biby masiaka amin'ny tany, ary tsy hotetezin-tsabatra ny taninareo. 7 Dia hanenjika ny fahavalonareo ianareo, ka ho lavon-tsabatra eo anoloanareo izy. 8 Ary ny dimy aminareo hanenjika ny zato, ary ny zato aminareo hanenjika ny iray alina; any ny fahavalonareo ho lavon-tsabatra eo anoloanareo.Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Levitikosy 26.3-8
Mitondra fitahiana ny fanarahana ny lalàna 
Mandrakariva dia ny didy folo ihany no heverin’ny maro ho làlan’ Andriamanitra . Ny boky dimy voalohany ao amin’ny Baiboly no lazaina hoe: bokin’ny lalàna . Rehefa nivoatra ny hevitry ny teny dia niantsoana ny Soratra masina amin ‘ny ankapobeny ny lalàna . Noho izany , ny and 3 eto dia itaoman’ Andriamanitra antsika hahay hisafidy fitahiana . Rehefa manaraka ny lalàna , dia hilatsaka aminn’y tany ny ranonorana , ho be ny vokatra , ho zina ny taona sns… (and 5). Teny entina milaza fitahiana izany ao amin’ny Baiboly . Mitahy antsika ny Tompo rehefa mankato isika . Tsy fitahiana ho an’ny olona iray izany , fa tena fitahiana ho an’ny firenena.
Voalaza eto koa ny fiadanana : »ary homeko fiadanana eo amin’ny tany ianareo » (and6). Ny fiadanana dia teny tokana enti-milaza fandriampahalemana , fiainana , fahasalamana , fahafahampo amin’ny soa sy ny tsara . Omena hisitrahan’ny mponina eo amin’ny tany izany rehefa mihaino sy mankato ny olona. Tsy fiadanana hiainantsika any amin’ny fiainan-ko avy no ampanantenaina antsika rehefa mankato , fa eto amin’ny tanintsika dieny ankehitriny . Koa ankatoavy sy araho eo amin’ny fiainantsika ny teny . Tsy ampy velively ny fandrenesana fotsiny , fa hoy ny Soratra masina : « Aoka ho mpanakato ny teny ianareo fa tsy ho mpihaino fotsiny ihany » . Ankatoavy ny teny raha tiantsika hiadana isika eto amin’ny firenentsika .
Fanontaniana:
Moa hainao hazavaina
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM