Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 13 Febroary 2018
Mihainoa ny Tenin'ny Tompo
Lioka 10.8-12
8 Ary izay tanàna iakaranareo, ka mandray anareo ny olona, dia hano izay zavatra aroso eo anoloanareo. 9 Ary sitrano izay marary ao, ka lazao amin'ny olona hoe: Efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra. 10 Fa izay tanàna iakaranareo, ka tsy mandray anareo kosa ny olona, dia mankanesa eo amin'ny lalambe, ka lazao hoe: 11 Ny vovoky ny tanànanareo aza, izay miraikitra amin'ny tongotray, dia fafànay hiampanga anareo; nefa aoka ho fantatrareo fa efa mby akaiky anareo ny fanjakan'Andriamanitra. 12 Lazaiko aminareo fa ho moramora kokoa ny ho amin'i Sodoma amin'izany andro izany noho ny ho amin'izany tanàna izany.Mihainoa ny Tenin’ny Tompo
Lioka 10.8-12
Raiso ny Filazantsara
1-Mandray ny Filazantsara izay mandray ny mpitory
« Izay tanàna iakaranareo ka mandray anareo ny olona ... »(and8). Manatona amin’ny isan-tanàna ny Tenin’ Andriamanitra sy ny Filazantsara . Tazana eto fa ny olona na ny tanàna vonona handray ny Filazantsara sy ny Tenin’ Andriamanitra dia mandray tsara izay iraka mpitondra ny Tenin’ Andriamanitra aloha. Tsy zava-baovao ity fahatongavan’ny teny na ny Filazantsara any amin’ny toeram-ponenan’ny olona ity . Tandindon’ny nahatongavan’i Jesoa ho olona tety an-tany io , mba hiara- monina amintsika . Ny teny dia tonga nofo ka niara-nonina tamintsika. Ka izay mandray ny mpitory dia mandray an’i Jesoa , ary izay mandray an’i Jesoa dia mandray an’ Andriamanitra izay naniraka an’i Jeso (vakio Mat 10.40)
2-Manakaiky ny fanjakan’ Andriamanitra ny mandray Azy
Rehefa tonga ny mpitory ka raisin’ny olona dia misy fanasitranana , izay mariky ny fanjakan’ Andriamanitra . Efa eo ambaravaran’ny fanjakan’ Andriamanitra izay mandray ny teny sy ny Filazantsara . Rehefa eo am-baravarana isika , dia miandry ny feo mampandroso sisa dia tafiditra « midira amin’ny fifalian’ny Tomponao ». Ny fiampangana sy ny fanamelohana ambara eto ho an’izay tsy mandray dia tsy fampitahorana , fa fitaomana antsika tsy hizotra mankamin’izany . Koa raiso ny Filazantsara ary raiso ny mpitory Filazantsara dia handray an’i Jesoa ianao.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM