Mihainoa ny  Tenin’ny  Tompo 

Mofonaina anio: Alakamisy, faha 15 Febroary 2018

Mihainoa ny  Tenin'ny  Tompo 

Apokalypsy 3.14-22
14 [Laodikia] Ary soraty ho amin'ny anjelin'ny fiangonana* any Laodikia: Izao no lazain'ny Amena, dia Ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Izay niandohan'izao zavatra noharin'Andriamanitra izao: [* Gr. eklesia] 15 Fantatro ny asanao, fa tsy mangatsiaka na mafana ianao; aleo ho mangatsiaka na ho mafana ianao. 16 Fa satria matimaty ianao ka tsy mafana na mangatsiaka, dia efa haloan'ny vavako ianao; 17 fa hoy ianao: Manan-karena sy efa nihary fananana be aho ka tsy manan-java-mahory; kanjo tsy fantatrao fa ianao no ilay ory sy mahantra sy malahelo sy jamba ary mitanjaka; 18 dia manoro hevitra anao Aho hividy amiko volamena voadio tamin'ny afo, mba hanan-karena ianao, ary fitafiana fotsy hotafinao, mba tsy hisehoan'ny henatrao noho ny fitanjahana, ary odi-maso hahosotrao ny masonao mba hahiratanao. 19 Izay* rehetra tiako no anariko sy faizako; koa dia mazotoa ianao, ka mibebaha. [* Gr. Raha Izaho, dia izay] 20 Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. 21 Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambonin'ny seza fiandrianako, dia tahaka ny nandreseko kosa sy ny niarahako nipetraka amin'ny Raiko eo ambonin'ny seza fiandrianany. 22 Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain'ny Fanahy amin'ny fiangonana*. [* Gr. eklesia]

Mihainoa ny  Tenin’ny  Tompo 

Apokalypsy 3.14-22

Antsom-pitiavana 

1-Ny  toerana  misy anao ankehitriny 

Tanàna  nanankarena  i Laodikia satria  tao   no nisy  ny  lamba  volonondry  mainty  manopy manga izay heverina  ho  tsara tokoa . Tao  koa ny fisian’ny  sekoly  fitsaboana  sy  ny menaka fanosotra  amin’ny maso  . Nirehareha fatratra  ny  mponina . Tafapaka  hatrany  amin’ny fiainam-piangonana  sy ny fanolorantenan’ny  olona izany . Mandroso ny toe-karena  ka tsy dia nahoana loatra  ny fanarahana  ny  Tompo: »fa satria  tsy mafana  na mangatsiaka  » . Matetika  tokoa  rehefa  mizotra tsara  ny fiainan’ny olona ara-toekarena dia mihena  ny fahavononana hanompo ny Tompo . Tsarovy  tsy ankasitrahan’ny Tompo  izany .

2-Miantso anao hiverina Aminy ny Tompo

Tia ny olony Andriamanitra . Indro Izy  manao  antso   mba hanavaozan’ny olona ny fanolorantena . Asehon’Andriamanitra  eto  fa ny tena fiainana dia ao Aminy  irery ihany . Izy   no manana  ny fitafiana  mendrika maneho  ny fahamasinan’ny olona . Izy no manana ny odimaso manafaka  ny olona  amin’ny fahajambana  ka  mampitodika ny  lolona  ho amin’ny tena fiainana . Rahab  manaiky  hiverina  amin’ Andriamanitra ny olona  , mampandroso Azy ao ampo  dia manana fifandraisana akaiky Aminy  ka  ho  fiainam-pifaliana  no ivelomany  isanandro  satria manana  ny zavatra rehetra Andriamanitra . Miantso  anao  koa  Izy , koa miverena ! Aza variana  amin’ny zavatr hita maso  ankehitriny .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM


Mofon'aina teo aloha

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo 

Alahady, 21 Janoary 2018

Manapaka amin’ny fahefany ny  Tompo  Joda 24.25 Ny Epistily nosoratan’i  Joda   dia nokendrena  indrindra  mba…

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Alarobia, 14 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo  Josoa 3.9-17 Entin’ny Tompo  handova  ny tany isika  1-Araho  ny toromarika …

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Talata, 13 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo  Lioka  10.8-12 Raiso ny Filazantsara  1-Mandray  ny Filazantsara  izay   mandray  ny…