Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Mofonaina anio: Alarobia, faha 28 Febroary 2018

Mihainoa ny Tenin'ny Tompo 

Jaona 8.39-47
39 Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Abrahama no rainay. Hoy Jesosy taminy: Raha zanak'i Abrahama ianareo, dia ny asan'i Abrahama no hataonareo. 40 Fa ankehitriny ianareo mitady hamono Ahy, Izay Lehilahy nilaza ny marina taminareo, dia izay efa reko tamin'Andriamanitra; tsy mba nanao izany Abrahama. 41 Hianareo manao ny asan'ny rainareo. Hoy ireo taminy: Tsy mba teraka avy tamin'ny fijangajangana izahay; iray Ray izahay, dia Andriamanitra ihany. 42 Hoy Jesosy taminy: Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria avy tamin'Andriamanitra no nivoahako sy nankanesako at? ; fa Izaho tsy tonga ho Ahy, fa Izy no naniraka Ahy. 43 Nahoana no tsy azonareo ny teniko? satria tsy mahay mihaino ny teniko ianareo. 44 Hianareo avy tamin'ny devoly rainareo, ka izay sitraky ny rainareo no tianareo hatao. Izy dia mpamono olona hatramin'ny taloha, ary tsy nitoetra tamin*'ny marina, satria tsy misy marina aminy. Raha mandainga izy, dia ny azy no lazainy, satria mpandainga izy sady rain'ny lainga. [*Na: (mitoetra amin')] 45 Fa satria milaza ny marina Aho, dia tsy inoanareo. 46 Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy? 47 Izay avy amin'Andriamanitra dia mihaino ny tenin'Andriamanitra; izany no tsy ihainoanareo, satria tsy mba avy amin'Andriamanitra ianareo.

Mihainoa ny Tenin’ny Tompo 

Jaona 8.39-47

Ny tena zanak’ Andriamanitra 

1-Manao  asa tsara 

Milaza  ho  zanak’i Abrahama  ireto Jiosy  miresaka  amin’i Jesoa Kristy . Ny  toetra  anefa  dia mifanohitra  tanteraka  amin’izany satria  i Abrahama  dia olon’ny  finoana  , feno fatokiana sy fankatoavana an’ Andriamanitra . Tsy manana  ny toetran’i Abrahama ireto Jiosy  ireto. I Jesoa Kristy milaza  ny marina , manao ny asan’ Andriamanitra indray no notadiavin’izy  ireo hovonoina . Asa ratsy  no kasain’izy ireo  atao .Tsarovy  fa ny tena  zanak’ Andriamanitra  dia mino  sy mankato  ny Tenin’ Andriamanitra  ary mivonona hanao  asa tsara  mandrakariva.

2-Mihaino  ny  Tenin’ Andriamanitra 

Aharihary  eto  fa zava-dehibe eo  amin’ny fiainan’ny zanak’ Andriamanitra ny fahaizana  mihaino  Azy, ny fanarahana  , ny fankatoavana na fampiharana eo  amin’ny fiainana  izay lazainy  . Ny teniny  no  mampifandray  ny zanany  amin’ Andriamanitra Ray  koa izay  zanany  marina  tokoa dia mangetaheta   hihaino  izay lazainy  isanandro . Manokàna fotoana  isanandro  hahafahanao  mihaino ny Tenin’ Andriamanitra , hifaneraseranao  Aminy  , handraisanao  ny toro-làlana  hitondranao  ny fiainana  dia ho  tena   zanany marina tokoa ianao.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM