Mihaino ny Tenin’ny Tompo
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 24 Febroary 2018
Mihaino ny Tenin'ny Tompo
Matio 10.5-15
5 Ireo roa ambin'ny folo lahy ireo dia nirahin'i Jesosy ka nodidiany hoe: Aza mandeha any amin'ny lalan'ny jentilisa, ary aza miakatra amin'izay tanànan'ny Samaritana, 6 fa aleo mankany amin'ny ondry very amin'ny taranak'isiraely. 7 Ary raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa mby akaiky ny fanjakan'ny lanitra. 8 Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, avoahy ny demonia; efa nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana. 9 Aza mitady volamena, na volafotsy, na varahina, ho ao anatin'ny fehin-kibonareo, 10 na kitapom-batsy ho amin'izay haleha, na akanjo roa, na kapa na tehina; fa ny mpiasa dia miendrika hahazo ny haniny. 11 Ary izay tanàna na vohitra hiakaranareo, dia fantaro tsara izay miendrika ao; ka mitoera ao aminy mandra-pialanareo. 12 Ary raha vao miditra ao amin'ny trano ianareo, dia miarahabà ny ao. 13 Koa raha miendrika ny ao an-trano, dia aoka ho ao aminy ny fiadanana tononinareo; fa raha tsy miendrika izy, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana voatononareo. 14 Ary izay tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino ny teninareo, raha miala amin'izany trano na tanàna izany ianareo, dia ahintsano ny vovoka amin'ny tongotrareo. 15 Lazaiko aminareo marina tokoa fa ho moramora kokoa ny ho amin'ny tany Sodoma sy Gomora amin'ny andro fitsarana noho ny ho amin'izany tanàna izany.Mihaino ny Tenin’ny Tompo
Matio 10.5-15
Ny mpianatry ny Tompo 
1-Mitoriteny
Nambaran’i Jesoa Kristy mazava tsara tamin’ny mpianany ny lalàna hizorana . Tsy handehandeha fotsiny anefa fa hitoriteny , hanambara amin’ny Zanak’ Israely fa efa mby akaiky ny fanjakan’ Andriamanitra. Tsarovy fa ny olona nantsoin’i Jesoa Kristy dia tsy mandehandeha amin’izay làlana tiany hizorana . Jesoa Kristy no mamaritra ny làlana sy ny andraikitra hotanterahina . Hanambara ny fanjakany .
2-Matoky ny fitondran’ny Tompo
Asa sarotra ny miandry . Hitondra fanafahana , fiainana ho an’ireo voafatotr’i satana . Tsy miantehitra amin’ny herin’ny tena, tsy mitady tombotsoa manokana . Ambarany fa manana ny hevitra hitondrany ny fiainan’ny olom-boafidiny ny Tompo . Ny olona nofidiany hanao ny asany dia tsinjoviny mandrakariva.
3-Mitondra fitahana ho an’ny hafa
Asa fanompoana miavaka no tanterahin’ny mpianatry ny Tompo. Ireo mino , manaiky handray azy ireo dia mandray fiadanana . Ireo izay minia tsy mandray kosa dia fiampangana no anajarany . Tsarovy àry fa ny mpanompo irahin’ Andriamanitra mitory ny Filazantsara dia hitondra fitahiana , fiadanana ho antsika. Mahaiza mandray azy ireny dia ho tanteraka aminao ny fiadan’i Jesoa Kristy.
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM