Mihaino an’Andriamanitra ny mpitondra

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 24 Febroary 2024

2 Mpanjaka 23. 1-3

2 Mpanjaka 23. 1-3
1 [Ny fahazotoan'i Josia handrava ny fivavahana tsy marina sy hanangana indray ny fivavahana amin'i Jehovah, ary ny niadiany tamin'ny Egyptiana, sy ny nahafatesany] Ary nanirahan'ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon'ny Joda Jerosalema rehetra. 2 Dia niakatra ho ao an-tranon'i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny lehilahy rehetra amin'ny Joda sy ny mponina rehetra tany Jerosalema mbamin'ny mpisorona sy ny mpaminany ary ny vahoaka rehetra, na kely na lehibe; ary novakiny teo anatrehany ny teny rehetra tamin'ny bokin'ny fanekena izay hita tao an-tranon'i Jehovah. 3 Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin'ny fitoeran'andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan'i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin'ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin'ny fanekena sy izay voasoratra ao amin'izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena.

1. Mihaino an’Andriamanitra ny mpitondra (and 1)

« Ary nanirahan’ny mpanjaka, ka dia vory tany aminy ny loholon’ny Joda Jerosalema sy rehetra ». Tsy nampiantso ireo loholona ireo i Josia mpanjaka raha tsy efa avy nahazo valin-teny avy amin’ Andriamanitra ny amin’izay tokony hataony. Mazava araka izany fa nihaino an’Andriamanitra mihitsy izy aloha vao sahy nanapa-kevitra. Faka tahaka ho antsika izany, tsy maika hihetsika mihitsy raha tsy avy nihaino ny Tompo.

2.Matahotra an’Andriamanitra ny vahoaka (and 2)

« Dia niakatra ho ao an-tranon’i Jehovah ny mpanjaka, ary nanaraka azy ny vahoaka rehetra ». Tsy misy na sokajin’olona iray aza ka tsy voatanisa eto, fa dia samy nankao an-tranon’i Jehovah daholo. Maneho izany fa samy tsy misy manamaivana, na manao tsinontsinona an’Andriamanitra ny rehetra. Mampieritreritra izany, mba manao ahoana moa ny fahavononan’ny olona hihaona amin’Andriamanitra ny fatahoran’ny olona Azy eto amitsika!

3. Mankato ny faneken’ Andriamanitra ny rehetra (and 3)

« Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena ». Tsy tanteraka mihitsy ireo tsodrano sy fitahiana raha tsy ny rehetra: mpitondra, vahoaka, mpitondra fivavahana no samy mivonona hankato an’Andriamanitra.

Fanontaniana:

Ahoana ny fahitanao izao mahazo an’i Madagasikara izao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe