Miha-miorina ny fanjakan’i Davida .

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 12 Janoary 2019

2 Samoela 4-5

2 Samoela 4-5
1 [Ny namonoana an'Isboseta, sy ny namalian'i Davida ireo namono azy kosa] Ary nony ren'ny zanakalahin'i Saoly fa maty tany Hebrona Abnera, dia niraviravy tanana izy, ary raiki-tahotra ny Isiraely rehetra. 2 Ary nisy roa lahy, lehiben'ny mpitohan'ny zanakalahin'i Saoly, Bana no anaran'ny iray, ary Rekaba no anaran'ny iray, samy zanak'i Rimona Berotita tamin'ny taranak'i Benjamina (fa Berota koa natao ho isan'ny an'i Benjamina; 3 ary ny Berotita nandositra nankany Gitaima, dia nivahiny tany mandraka androany). 4 Ary Jonatana, zanak'i Saoly, nanan-janakalahy malemy tongotra. Dimy taona izy, fony tonga avy tany Jezirela ny filazana ny amin'i Saoly sy Jonatana; ary nentin'ny mpitaiza azy nandositra izy; ary raha nentiny nandositra tamin'ny fahatairana izy, dia nianjera ka tonga malemy tongotra, Mefiboseta no anarany. 5 Ary Rekaba sy Bana, zanak'i Rimona Berotita, nandeha; ka rehefa nafana ny andro, dia tonga tao an-tranon'Isboseta, tamin'ilay izy nandriandry tamin'ny antoandro iny.

2 Samoela 4-5

Miha-miorina ny fanjakan’i Davida .

1-Tsy amin’ny alalan’ny fandatsahan-drà izany .

Nampiraviravy tànana ny mpomba ny taranak’i Saoly ny fahafatesan’i Abnera . Namily ny hevitry ny sasany izany ka novonoiny i Isboseta. Tsy nanorina ny fanjakany tamin’ny fanadatsahan-drà anefa i Davida , ilay natoky ny fitondran’ Andriamanitra.

2-Amin’ny fankatoavana. Ireo foko 10 sisa no mba taranak’i Saoly no tonga tao Hebrona . Neken’ireo ny maha- mpanjaka avy amin’i Jehovah an’i Davida. Koa nanao fanekena taminy izy ka nankato azy. Toy izany koa ny firenena avy any ivelany toa an’i Tyro, nandefa teknisiana hanorin-dapa ho an’i Davida.

3-Amin’ny fananana renivohitra vaovao . 

I Jerosalema no mety satria tanana anelanelany io ara- jeografia raha oharina amin’ny fanjakan’i Davida sy i Isboseta . Sady tànana tsy miandany koa io noho izy an’ny Jebosita fa tsy an’i Davida no tsy an’i Isboseta .

4-Amin’ny fiterahana

Niteraka maro teto izy ary i Solomona naterany teto no nandimby azy, fa tsy ireo tany Hebrona .

5-Amin’ny fandresena . Resiny noho ny fihainoana ny toromariky ny Tompo ny Filistina sy ny sampiny. Ireny no fahavalo akaiky indrindra azy ka ny fandreseny ireo dia midika ho fizorany ho amin’ny fiorenana ara-panjakana .

« Raiso ny Tenin’ Andriamanitra » Boky faha-3