Mifidy ny lalana alehan’ny olona Andriamanitra
Mofonaina anio: Alahady, faha 07 Aprily 2024
Eksodosy 13. 17-22
Eksodosy 13. 17-22
17 [Ny lalana nitondran'Andriamanitra ny Zanak'Isiraely, sy ny namakiany ny Ranomasina Mena] Ary rehefa nalefan'i Farao ny olona, dia tsy mba nentin'Andriamanitra tamin'ny lalana nankany amin'ny tanin'ny Filistina izy, na dia akaiky aza izany; fa hoy Andriamanitra: Andrao hanenina ny olona, raha mahita ady, ka hiverina any Egypta. 18 Fa nentin'Andriamanitra nivily ho amin'ny lalana mahazo any an-efitra amoron'ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak'Isiraely avy tany amin'ny tany Egypta. 19 Ary nentin'i Mosesy niaraka taminy ny taolan'i Josefa, satria Josefa efa nampianiana dia nampianiana ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra, dia hitondra ny taolako hiala at? miaraka aminareo ianareo. 20 Dia nifindra niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin'ny efitra. 21 Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin'ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin'ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman'alina. 22 Ny andri-rahona tsy niala teo alohan'ny olona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina.1- Mifidy ny lalana alehan’ny olona Andriamanitra
Rehefa afaka tamin’ny fanandevozan’i Farao ny olona dia tsy mba nentin’ Andriamanitra tamin’ny lalana nankany amin’ny tanin’ny Filistina izy fa nentin’Andriamanitra nivily ho amin’ny lalana mahazo any an’efitra amoron’ny ranomasina mena. Afaka nandeha tamin’ny lalana voalaza voalohany ihany ny olona teto saingy tsy mahasoa azy izany hoy Andriamanitra ka lalana hafa no nitondrany azy. Araka izany dia tsy mahafantatra izany lalana tena mahasoa azy akory ny olona fa tsy maintsy mila an’Andriamanitra amin’ny fifidianana izany.
2- Lalan-tsarotra no itondran’Andriamanitra
Raha ny olona no mifidy dia tsy misy olona te hanasaro-javatra izany akory ka raha mifidy ny lalan-kaleha izy na ny zavatra atao dia izay tsotra indrindra sy mora diavina no tsy maintsy fidiany. Aseho eto kosa anefa fa Andriamanitra mihitsy no mifidy ny lalana mety ho an’ny olona ka tsy izay mora araka ny heverin’ny olona akory no izy fa ny sarotra kosa. Hita eo amin’ny fiainan’ny olona andavan’andro izany. misedra zava-tsarotra hatrany ny olona eo amin’ny fiainany; ary na dia mangataka vahaolana sy fanampiana avy amin’Andriamanitra aza dia toa tsy mivaly araka izay ilain’ny olona izany satria Andriamanitra mihitsy no mifidy ny lalana mety sy tsy maintsy halehan’ny olona. Misy olona toa very fanantenana eo anatrehan’izany satria lazainy fa tsy hitan Andriamanitra na tsy ren’Andriamanitra akory ny fangatahany. Tsarovy anefa fa io lalan-tsarotra io mihitsy no fidian’ny Tompo ho an’ny olona.
Na izany aza anefa dia tsy manary ny olona mihitsy akory Izy ta mommba ny olony hatrany Izy.
Fanontaninana:
Mahay mifidy ny lalana tsara ho azy ve ny olona?
Sampana Sekoly Alahady Foibe