Mifidiana sao ianao indray no fidiany

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 18 Martsa 2024

Deoteronomia 30, 15-20

Deoteronomia 30, 15-20
15 Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza, 16 tamin'ny nandidiako anao androany ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin'ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalàny ary ny fitsipiny, mba ho velona ianao ka hihamaro, ary mba hitahian'i Jehovah Andriamanitrao anao any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana. 17 Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa voataona hiankokoha eo anatrehan'izay andriamani-kafa sy hanompo azy, 18 dia lazaiko aminareo anio fa ho ringana tokoa ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin'ny tany izay efa hidiranao holovana, rehefa tafita an'i Jordana ianareo. 19 Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao, 20 dia ny ho tia an'i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan'ny andronao, mba honenanao eo amin'ny tany izay nianianan'i Jehovah tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.

Mifidiana sao ianao indray no fidiany

And 29 « koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao »

Safidy roa mazava tsara no ataon’ny Tompo anoloantsika anio: na ny fiainana sy ny fitakiana na ny fahafatesana sy fanozonana. Fotoana lehibe tahaka ny fotoam-pifidianana rehetra izao fotoana izao. Tsy misy safidy maro azo atao fa iray ihany. Efa nanao fampielezan-kevitra Andriamanitra hatrany amin’ny and.1 amin’ity toko faha-30 ity ka nanambarany fa raha mitandrina ny didiny isika dia ho feno fitahiana ny fiainantsika. Ary raha tsy mihaino kosa dia ho feno ozona. Dia manamafy Izy eto ny hifidiananao ny fiainana. Mbola azonao atao ny mifidy ireo isanandro, saingy anio kosa dia mila manao fanapahan-kevitra lehibe ianao. Fa raha tsy hisafidy ianao anio dia ny fahafatesana no hifidy sy handrombaka anao. Ilay ratsy no hisafidy anao ho mpanompony raha tsy mazava ny fanapahan-kevitrao, Ny fisafidiananao ny hihaino ny Tenin’Andriamanitra izay mitondra anao ho amin’ny Fitahiana no hanananao hery tsy hibirioka any amin’ny lalam-pahafatesana. Nahoana àry no mbola te ho faty ihany isika ? (vakio Jao. 5,39)

Fanontaniana:

Inona no antony mampifikitra ny oloma amin’ny fiainana an-tany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe