Mifanohitra ve ny asa fanompoana nataon’i Jaona mpanao batisa sy izay nataon’i Jesoa ?

Mofonaina anio: Talata, faha 14 Septambra 2021

JAONA 3.22-30

JAONA 3.22-30
22 Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin'ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa. 23 Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin'i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa. 24 Fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina Jaona. 25 Ary nisy nifandiran'ny mpianatr'i Jaona tamin'ny Jiosy anankiray ny amin'ny fanadiovana; 26 ary tonga tany amin'i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin'i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy. 27 Jaona namaly ka nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany. 28 Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho. 29 Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan'ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon'ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany. 30 Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.

Mifanohitra ve ny asa fanompoana nataon’i Jaona mpanao batisa sy izay nataon’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM