Mifaly ny olona mampijaly olona tahaka azy.

Mofonaina anio: Alarobia, faha 03 Aprily 2024

Asan'ny Apostoly 12. 1-10

Asan'ny Apostoly 12. 1-10
1 [Ny amin'ny nanenjehana ny fiangonana, sy ny nanafahana an'i Petera tao an-tranomaizina] Ary tamin'izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin'ny fiangonana. 2 Ary izy namono an'i Jakoba, rahalahin'i Jaona, tamin'ny sabatra. 3 Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an'i Petera koa izy. (Efa mby tamin'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'izany.) 4 Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin'ny miaramila enina ambin'ny folo* hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin'ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska. [* Gr. miaramila efatra katernia; ny katernia iray dia miaramila efa-dahy] 5 Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin'Andriamanitra ho azy. 6 Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan'ny miaramila roa lahy Petera tamin'iny alina iny, sady voafatotra tamin'ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny tranomaizina teo am-baravarana. 7 Ary, indro, nisy anjelin'ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan'i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana. Dia niala tamin'ny tànany ny gadra. 8 Ary hoy ilay anjely taminy: Misikina, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy. 9 Dia nivoaka izy ka nanaraka ary; ary tsy fantany ho marina izay nataon'ny anjely, fa nataony ho nahita fahitana ihany izy. 10 Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin'ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy, dia nandroso tamin'ny lalana iray; ary niaraka tamin'izay dia nandao azy i]ay anjely.

Mifaly ny olona mampijaly olona tahaka azy.

Misy ny zavatra mahafaly ny olona eo amin’ny fiainana ary mety samy manana izany antony mahatonga izany ny tsirairay. Ankilan’izany kosa anefa dia misy ny fomba fiteny hoe ny fifalian’ny sasany dia fahorian’ny sasany. Ary izany indrindra no ambara eto amin’ity teny eto ity, satria voalaza fa ny fifalian’i Heroda dia ny fampijaliana ireo mpivavaka tamin’izany fotoana izany, araka ny ambara eto hoe i Heroda dia naninjitra ny tanany nampahory ny Fiangonana. Heverina fa fahoriana mafy izany famonoana ho faty izany, kanefa dia nankasitrahan’ny mpitondra izany eto, ary izany no hilazana hoe mahavariana fa misy olona mifaly amin’ny fampijaliana olona tahaka azy ihany.

Andriamanitra dia mahay mamonjy sy manafaka

Ity teny ity kosa anefa dia mampahery ny olona, indrindra ireo izay mizaka ny mafy sy sarotra: fa mahay mamonjy ny olona ao anatin’ny fahavoazana ny Tompo. Manana fahefana hanafaka ny olona ny Tompo, na inona na inona zavatra mangeja azy. Ary izany indrindra no hasehon’ny teny eto. Na i Petera niharan’ny famatorana aza dia tsy nino ny famonjena sy ny fanafahana nataon’ny Tompo taminy fa noheveriny ho nahita fahitana ihany izy, kanefa aseho eto fa mihevitra ny olony io Andriamanitra io.

Tsy avelany ho irery ianao, manafaka amin’ny loza Izy.

Ankoatra izany dia mariho tsara fa nentin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny anjely i Petera mba havotany manoloana ny famatorana azy. Notarihiny i Petera amin’ny zavatra rehetra tokony hataony, nivoha ny varavaram-by izay nanakan-dalana, tsy nahasakana azy ny herin’ny miaramila izay voalahatra hiambina azy. Izany ilay Andriamanitra mihevitra ny olona.

Fanontaniana:

Manoloana ny zava-tsarotra manjo ny olona, manana vahaolana ho amin ‘izany ve Andriamanitra?

Sampana Sekoly Alahady Foibe