Mifaly amin’ny fanantenana ny mpino
Mofonaina anio: Asabotsy, faha 02 Aogositra 2025
(Sal 66.8-12 / Hira 298 / Vavaka / Mofonaina / Vavaka / Hira 731)
Romana 5.1-5
1 [Ny soa ananan'ny mino an'i Kristy, sy ny fihoaran'izany noho izay soa verin'i Adama] Koa amin'izany, satria efa nohamarinina tamin'ny finoana isika, dia aoka isika hanana* fihavanana amin'Andriamanitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika. [* Na: (dia manana)] 2 Tamin'ny alalany koa no efa nahazoantsika fanatonana amin'ny finoana ho amin'izao fahasoavana itoerantsika izao, ka dia aoka isika hifaly amin'ny fanantenana ny voninahitr'Andriamanitra. 3 Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin'ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana; 4 ary ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra; ary ny fahatsaram-panahy voazaha toetra mahatonga fanantenana; 5 ary ny fanantenana dia tsy mampahamenatra, satria ny Fanahy Masina, Izay nomena antsika, no nentiny nampidina ny fitiavan'Andriamanitra* ho ao am-pontsika. [* Na: ny fitiavana an'Andriamanitra]Mifaly amin’ny fanantenana ny mpino
1- Na eo aza ny fahoriana
« Aoka isika hifaly amin’ny fahoriana aza » (and.3). Efa nampiomana antsika ny Soratra Masina fa: « … any am-parany any dia hisy andro mahory » (2Tim 3,1). Tsy manakana ny fiadanam-po ao amin’ny mpino ny fahoriana. Mahatonga azy ireo hiombona fijaliana amin’i Jesoa. Amin’ny mpino dia miara-miasa hahasoa ny zavatra rehetra. Vao mainka mamelombelona fanantenana satria izany fahoriana izany no lalana nisandratan’ny Tompo tamim-boninahitra.
2- Na eo aza ireo izay tsy maintsy hiaretana
« Ny fahoriana mahatonga faharetana » (and3b): Mitondra faharetana ho an’ny mpino ny fahoriana. Toy ny mpifaninana izay ampy fanazaran-tena izy. Na dia miasa fatratra sy mavesatra entana aza ny mpino dia misitraka fitsaharana hatrany ao amin’ny Tompo. Efa tsy mampitaraina ny mpino intsony ireo endrika fahasarotana sy fahasahiranana samihafa. Mandroso hery ny mpino. « Mihazakazaka fa tsy sasatra, mandeha nefa tsy reraka » (Isa 40, 31). Manana finoana sy fanantenana hatrany.
3- Na eo aza ireo sedra samihafa
« Ny faharetana mahatonga fahatsaram-panahy voazaha toetra » (and 4a). Ny mpino izay manana an’i Jesoa dia tsy mitady tany malemy hanorenam-pangady, fa manana fahasahiana, fahavononana hiatrika sedra hatrany; vonona ny hibata fandresena manoloana ireo fanamby samihafa. Ny fitarihan’ny Fanahy Masina dia sady mampahery ny mpino no manolo-tsaina azy hatrany manoloana ny sedra samihafa.
Fanontaniana :
Ahoana no hiatrehana ireo fahoriana sy sedra samihafa?
Sampana Sekoly Alahady Foibe