Mibebaha eo  anatrehan’ny  Tompo 

Mofonaina anio: Zoma, faha 23 Martsa 2018

Mibebaha eo  anatrehan'ny  Tompo 

2 Korintiana  7.5-10
5 Fa na dia efa tonga tany Makedonia aza izahay, dia tsy hiainan'ny nofonay, fa nampahorina tamin'ny zavatra rehetra: teo ivelany nisy ady, tao anatiny nisy tahotra. 6 Fa Andriamanitra, Izay mampionona ny mpandefitra, no efa nampionona anay tamin'ny nahatongavan'i Titosy, 7 ary tsy tamin'ny nahatongavany ihany, fa tamin'ny fampiononana izay nampiononanareo azy koa, raha nambarany taminay ny fanirianareo sy ny fitomanianareo sy ny fahazotoanareo hanaiky ahy; ka dia mainka nifaly aho. 8 Fa na dia nampalahelo anareo tamin'ny epistily aza aho, dia tsy manenina intsony, na dia nanenina ihany aza teo; fa fantatro fa efa nampalahelo anareo izany epistily izany, kanefa vetivety ihany. 9 Ary mifaly kosa aho ankehitriny, nefa tsy noho ny nampalahelovana anareo, fa noho ny nampalahelovana anareo mba hibebaka; fa nampahelovina araka an'Andriamanitra ianareo, mba tsy hataonay matiantoka na amin'inona na amin'inona. 10 Fa ny alahelo araka an'Andriamanitra miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana; fa miasa fahafatesana kosa ny alahelon'izao tontolo izao.

Mibebaha eo  anatrehan’ny  Tompo 

2 Korintiana  7.5-10

Mahasoa  ho  fibebahana ny  Soratra masina 

 

 1-Mampionona ny Apostoly  ny  Tompo

Ady mafy  no natrehan’ny Apostoly  tamin’ny fitoriana ny Filazantsara   sy  ny fananganana fiangonana tahaka   ny  tao   Korinto  . Fahoriana   no  itoriana  sy itarihana  ny  fiangonana  hitoetra  amin’ny Tompo: ady , tahotra  (and5). Tsy  avelan’ny  Tompo hiasa irery  sy hiraviravy tànana ny  mpanompony . Fampiononana lehibe  ny  fanirahan’ny Tompo  an’i Titosy  hanampy azy . Tahaka  izany  koa  ny  hafatra nentin’i Titosy  amin’ny fanirian’ny  fiangonana  sy ny  fanekeny  ny  Apostoly  (and7).

2-Ny Soratra masina tsy  anenenana

Mananatra  ny Epistily   ny Apostoly   amin’ny  fitondram-piangonana sy  fitaizana   sy ny fanabeazana  ny  kristiana  tany Korinto . Misy  ny Epistily  voalohany  talohan’ity  ka nampalahelo  ny mpino  tamin’izany  (and8, jereo 2 Kor 2.12-13). Ambara  fa fampalahelovana  araka  an’ Andriamanitra  ny an’ny korintiana (and9). Ny  fandaminana sy ny fandrindram-piangonana  dia hevitr’ Andriamanitra  hitarihana ny olona ho amin’i Kristy .

3-Ny Soratra masina mampibebaka

Alahelon’ ny fiangonana sy ny Apostoly  no hitantsika eto . Nampibebaka , nampiova fo  sy hevitra ny Korintiana  ny soratry ny Apostoly (and10). Niteraka  famonjena  ny fanahin’ny mpino  izany  . Raiso am-pifaliana  ny Tenin’ Andriamanitra rentsika sy torina na vakina  fa  mitondra famonjena  tsy anenenana izany .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady  FOIBE FJKM