Mibebaha eo  anatrehan’ny Tompo 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 24 Martsa 2018

Mibebaha eo  anatrehan'ny Tompo 

2 Tantara 30.1-9
1 [Ny nitandreman'i Hezekia sy ny vahoaka ny Paska] Ary Hezekia naniraka tany amin'ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nanoratra taratasy ho amin'ny Efraima sy ny Manase koa mba hankanesany any an-tranon'i Jehovah any Jerosalema hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely. 2 Fa ny mpanjaka sy ny mpanapaka mbamin'ny fiangonana rehetra tany Jerosalema dia niara-nihevitra ny amin'ny hitandremana ny Paska amin'ny volana faharoa. 3 Nefa tsy nahatandrina azy tamin'izany andro izany izy, satria ny mpisorona tsy mbola nanamasina ny tenany loatra, ary ny olona koa tsy mbola vory tany Jerosalema. 4 Ary sitraky ny mpanjaka sy ny fiangonana rehetra izany. 5 Dia nandidy handefa teny eran'ny Isiraely rehetra hatrany Beri-sheba ka hatrany Dana izy mba hankanesan'ny olona hitandrina ny Paska ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, any Jerosalema; fa ny be sy ny maro tsy mba nitandrina azy araka ny voasoratra. 6 Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin'ny mpanjaka hoe: Ry zanak'isiraely ô, miverena amin'i Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin'izay sisa aminareo izay tsy azon'ny tànan'ireo mpanjakan'i Asyria. 7 Aza manahaka ny rainareo sy ny rahalahinareo izay nivadika tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, ka dia natolony ho figagana araka izao hitanareo izao izy. 8 Koa aza manamafy ny hatokareo toy ny nataon'ny razanareo, fa atolory an'i Jehovah ny tananareo, ka midìra ao amin'ny fitoerany masina, izay nohamasininy ho mandrakizay; ary manompoa an'i Jehovah Andriamanitrareo, mba hiala aminareo ny fahatezerany mirehitra. 9 Fa raha miverina amin'i Jehovah ianareo, dia hahazo famindram-po eo anatrehan'izay nitondra azy ho babo ny rahalahinareo sy ny zanakareo, ka dia ho tafaverina amin'ity tany ity izy; fa miantra sy mamindra fo Jehovah Andriamanitrareo, ary tsy mba hiamboho anareo Izy, raha miverina aminy ianareo.

Mibebaha eo  anatrehan’ny Tompo 

2 Tantara 30.1-9

Miverena  amin’i Jehovah ry Israely

1-Tandremo  ny  Paskan’i Jehovah 

Fotoana fanamasinana ny Tempoly   sy ny  mpisorona  mpanao fanompoana ny Paska  (ampitahao Nom 9.6-13) . Manana anjara   fanompoana  manokana  amin’ny fikarakarana an’i Jerosalema  sy ny  tempoly ny taranak’i Davida mpanjaka . I Jerosalema  no renivohitry ny fiangonana  sy ny firenena Israely sy ny  Joda  ka  mihevitra  ny « hitandremana ny  Paska  amin’ny volana faharoa  ny  mpanjaka  sy ny fiangonana » (and2)

2-Miverena amin’i Jehovah 

Ny  fiakaran’ny vahoaka  rehetra  manatona an’i Jerosalema  no  mariky  ny fibebahana . Maniraka ny irany  ny  mpanjaka no  mariky  ny  fibebahana . Maniraka  ny irany  ny mpanjaka  hitety  ny tanin’ Israely  hiakaran’ny  olona any  Jerosalema . Mandrava  ny  fitsitokotokoan’ny  foko  roambinifolo  amin’ Israely  no nataon’i Hezekia mpanjaka . Antsoina  ny vahoaka  sy ny mpisorona  hanolotena ho an’ Andriamanitra  hiditra amin’ny fitoerana masina  sy hanompo  an’i Jehovah ao (and8).

3-Miantra  sy  mamindra fo  i Jehovah 

Ny  fitiavan’i Jehovah   lalim-paka  ny Israely  no handraisany ireo  izay  miverina  sy mibebaka  aminy. Ny  mpamabo  , ny Babyloniana izany  dia tsy hahazo  mitazona izay  te-hiverina  any Jerosalema  . Fitiavana  no  miandry   sy asetrin’ny  Tompo  izay  mibebaka  na miverina  aminy  . Mialoha  mandrakariva  izay mety  ho fanenenan’ny olona sy ny fibebahan’ny  olona ny famelan-keloka .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM