Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 25 Martsa 2018
Mibebaha eo anatrehan'ny Tompo
Zakaria 9.9-11
9 Mifalia indrindra, ry Ziona zanakavavy; Manaova feo fifaliana, ry Jerosalema zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao*; Marina Izy sady manam-pamonjena**, Malemy fanahy sady mitaingina boriky Dia zana-boriky tanora. [*na: ho at? aminao][**heb. voavonjy] 10 Ary hofoanako tsy hisy kalesy intsony Efraima, Na soavaly any Jerosalema, Hofoanana koa ny tsipìka fiadiana, Ary hiteny fiadanana amin'ny jentilisa Izy; Ny fanapahany dia hatramin'ny ranomasina ka hatramin'ny ranomasina Ary hatramin'ny Ony* ka hatramin'ny faran'ny tany. [Eofrata] 11 Ny aminao koa, noho ny ran'ny fanekena taminao No efa namoahako ny mpifatotrao avy tao an-davaka tsy misy rano.Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Zakaria 9.9-11
Mampifaly ny zanak’i Ziona Andriamanitra
1-Maniraka ny Mesia mpanjaka Andriamanitra
« Mpanjaka marina Izy sady manam-pamonjena« , mpanjaka malemy fanahy . Tonga ny mpanjaka andrasan’ny zanak’ Israely . Ao Jerosalema no idirany hitondra fifaliana sy fahasambarana . Ambaran’ny mpaminany fa tsy mitaingin-tsoavaly tahaka ny mpanjakan’ny firenen-kafa Izy , fa zana-boriky tanora. Mpanjaka tsy hampiasa ny herin’ny tafika fa ny herin’ny fandeferana sy ny fanetrentena . Mesia mitondra famonjena ho an’ny vahoakany . Fanafahana amin’ny fahotana sy famerenana ny Israely amin’ny fanekena
2-Manorina fiadanana sy fanekena ny mpanjaka
Apetrak’ Andriamanitra ho an’ny Mesia Mpanjaka ny fanorenana ny fiadanana ho an’Israely sy ny Jentilisa (and10) (and 10) . Hotanterahin’ny Mesia ny fiadanana :tsy hisy ny kalesy sy soavaly ary ny tsipika ho fiadiana fanafihana . Tsy hiady an-trano ny Israely ary tsy hiady amin’ny Jentilisa . Ho mpihavana ny Israely sy ny Jentilisa . Andriamanitra no Mpanjakan’ny tany rehetra sy ny ranomasina ary ny ony . Manao fanekena amin’Israely Andriamanitra . Mamoaka ny mpifatotra amin’ny ran’ny fanekena (and11) . Tandindon’i Jesoa Kristy nohomboana tamin’ny hazo fijaliana izany .Mamaha ny olona fatoran’ny fahotana sy ny devoly ary ny voafonja vokatry ny tsy fahamarinana ny fanekena ataon’ny Tompo .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM