Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 26 Martsa 2018

Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo

Matio  21.1-11
1 Ary raha nanakaiky an'i Jerosalema izy ka tonga tao Betifaga any an-tendrombohitra Oliva, dia naniraka mpianatra roa lahy Jesosy ka nanao taminy hoe: 2 Mankanesa amin'iroa vohitra tandrifinareo iroa, ary miaraka amin'izay dia hahita boriky mifatotra sy ny zanany eo aminy ianareo; vahao izy, dia ento et? amiko. 3 Ary raha misy miteny anareo, dia lazao hoe: Misy raharaha analan'ny Tompo azy; ary dia havelany ho entina miaraka amin'izay izy. 4 Izany dia tonga mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: 5 Lazao amin'i Ziona zanakavavy; Indro, ny Mpanjakanao avy ho anao, Malemy fanahy sady mitaingina boriky, Dia zanaky ny boriky miasa* (Zak. 9. 9).[*Gr. mitondra zioga] 6 Ary dia nandeha ny mpianatra ka nanao araka izay nandidian'i Jesosy azy, 7 dia nentiny ny boriky sy ny zanany ary nataony teo amboniny ny lambany, ary Jesosy dia nitaingina azy. 8 Ary ny ankabiazan'ny vahoaka dia namelatra ny lambany teny an-dalana; ary ny sasany nanapaka rantsan-kazo, dia nahahany teny an-dalana koa izany. 9 Ary ny vahoaka izay nialoha Azy sy izay nanaraka dia niantso hoe: Hosana* ho an'ny Zanak'i Davida! Isaorana anie Izay avy amin'ny anaran'i Jehovah! Hosana* any amin'ny avo indrindra (Sal. 118. 26).[*Hosana = vonjeo re!] 10 Ary nony efa tafiditra tany Jerosalema Izy, dia nihorakoraka ny tanàna rehetra ka nanao hoe: Iza moa izao? 11 Ary ny vahoaka nilaza hoe: Izao no Jesosy mpaminany Izay avy any Nazareta any Galilia.

Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo

Matio  21.1-11

Miditra   an’i Jerosalema  ny  Mesia

1-Maniraka  an’i Jesoa  Mesia  mpanjaka Andriamanitra

Irahina ho   amin’ny zanak’i Ziona   zanakavavy dia i  Jerosalema  na ny  fiangonana i Jesoa , ilay  Mesia  mpanjaka malemy fanahy  , mitaingina  boriky miasa  (and4) . Tonga  hanompo  sy hitondra filaminana  sy fiadanana i Jesoa Kristy . Tsy  soavaly fampiasan’ny mpanjaka  sy ny miaramila  no ilain’ny Mesia fa boriky  fampiasa andavanandro  . Miditra  ny renivohitry  ny fanjakana   sy  ny  fivavahana i Jesoa . Nofidin’ny Tompo ho tanànan’ny  famonjena   sy fiadanana i Jerosalema .

2-Miantso  sy maniraka  ny mpianany i Jesoa

3-Mandray  an’i Jesoa mpanjaka  ny vahoaka   

Mandray  ny mpanjakany   ny vahoaka  , namelatra  ny lambany  , nandahatra rantsankazo handehanany  , nialoha   sy nanaraka Azy  ary  nihira  ny « Hosana » . Mihira  fiderana hosana  ho an’ny taranak’i Davida mpanjaka ny  vahoakany   . Mpanjaka , fanantenan’ny  mino i Jesoa Kristy  . Mesia mpanjaka  sady mpaminany  avy any Nazareta any Galilia  i Jesoa (and11) .

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM