Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo

Mofonaina anio: Talata, faha 27 Martsa 2018

Mibebaha eo anatrehan'ny Tompo

Marka 14.3-9
3 Ary nony tany Betania Jesosy tao an-tranon'i Simona boka ka nipetraka nihinana, dia avy ny vehivavy anankiray nitondra tavoara alabastara feno menaka manitra nisy narda saro-bidy indrindra; dia novakiny ny tavoara, ka naidiny tamin'ny lohan'i Jesosy ny menaka. 4 Ary nisy ny sasany tezitra ka nifampilaza hoe: Inona no anton'izao fandaniam-poana ny menaka manitra izao? 5 Fa azo namidy ho lafo tsy omby denaria telon-jato iny menaka manitra iny ka homena ny malahelo. Dia tezitra indrindra tamin-dravehivavy ireo. 6 Fa hoy Jesosy taminy: Avelao izy; nahoana ianareo no mampalahelo azy? Asa soa no nataony tamiko. 7 Fa ny malahelo dia eto aminareo mandrakariva, ary na oviana na oviana no tianareo hanaovana soa aminy, dia mahazo manao ianareo; fa Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo mandrakariva. 8 Efa nanao izay azony natao izy: namonjy nanosotra ny tenako hanamboarany Ahy halevina izy. 9 Ary lazaiko aminareo marina tokoa: Na aiza na aiza amin'izao tontolo izao no hitoriana ny filazantsara, dia holazaina koa izao nataon-dravehivavy izao mba ho fahatsiarovana azy.

Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo

Marka 14.3-9

Asa fibebahana 

1-Fanosorana  menaka   an’i  Jesoa Kristy  

Menaka  manitra narda sarobidy  indrindra iray  tavoara manontolo   no nahosotra  an’i Jesoa . Nanaiky izany  i Jesoa  satria tsy  mbola nisy olona nanao fanosorana Azy teto  an-tany  araka ny fanaon’i Mpisoronabe amin’ny  mpanjaka  na ny  mpisorona  (Lev 8.12) . Noraisin’i Jesoa manetry  tena  ho  fahamarinana  ny nataon’ity  vehivavy  ity . Mesia mpisoronabe hitondra  sy handray  ny  fibebahana  sy hamela  heloka  ny mpanota ny  Tompo .

2-Fanamboarana  an’i Jesoa  halevina 

Vonona ho faty  sy hitondra  fibebahana ho  an’ ity vehivavy   ity sy izao  tontolo izao  i Jesoa . Manaiky  hosorana  dieny  mbola velona Izy ho fitehirizana ny  faty  , araka  ny  fomba Jiosy . Dieny  mbola velona i Jesoa Kristy   no karakaraina . Andriamanitra   velona  no Tompo  tompointsika . Tsy  misy  mahasakana ny  fanolorantena feno  sy ny  fitiavantsika  an’i Jesoa Kristy  . Mazotoa manompo.

3-Tsaroan’i Jesoa  Kristy izay  manosotra Azy 

Holazaina  miaraka  amin’ny fitoriana  ny Filazantsara  ny nataon-dravehivavy  . Sitrak’i Jesoa  ny nataon’i Maria  sy ny  fitiavany   (jereo  Jao 12.3) . Nafoiny  ho an’i Jesoa Kristy  izay  nananany rehetra  . Tsy menatra  ho sakaizan’ny  mpanota i Jesoa Kristy ary tsy  menatra  ny hanaiky an’i Jesoa ho Tompo  i Maria . Manamasina  an’i Kristy  ao am-pony i Maria (1 Pet 3.15) . Mankasitraka ny asa tsara ny Tompo .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM