Mibebaha  eo anatrehan’ny Tompo 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 03 Martsa 2018

Mibebaha  eo anatrehan'ny Tompo 

Daniela 9.15-19
15 Koa ankehitriny, Tompo Andriamanitray ô, Izay nitondra ny olonao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta tamin'ny tanana mahery ka nanao anarana ho Anao tahaka ny amin'izao anio izao, efa nanota izahay, efa nanao ratsy izahay. 16 Tompo ô, mifona aminao aho, araka ny fahamarinanao rehetra, aoka re hionona ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao amin'i Jerosalema tanànanao, tendrombohitrao masina, fa ny helokay sy ny fahotan'ny razanay no nahatonga an'i Jerosalema sy ny olonao ho latsa amin'izay rehetra manodidina anay. 17 Fa ankehitriny, ry Andriamanitray ô, henoy ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fifonany, ary ampamirapirato ny tavanao amin'ny fitoeranao masina izay efa foana, satria Tompo Hianao. 18 Andriamanitra ô, atongilano ny sofinao, ka mihainoa; ahirato ny masonao, ka jereo ny fahafoananay sy ny tanàna izay nantsoina amin'ny anaranao; fa tsy amin'ny fahamarinanay no andoaranay ny fifonanay eto anatrehanao, fa amin'ny halehiben'ny indrafonao. 19 Tompo ô, mandrenesa, Tompo ô, mamelà heloka; Tompo ô, mihainoa, ka miasà; aza ela Hianao, ry Andriamanitro ô noho ny aminao; fa ny tanànanao sy ny olonao dia nantsoina amin'ny anaranao.

Mibebaha  eo anatrehan’ny Tompo 

Daniela 9.15-19

Tsy ny olona  rehetra  no manaiky   hanetry tena  sy hifona  amin’ Andriamanitra  tahaka izao  nataon’i Daniela  izao . Malaky  manamarin-tena   ny  olona   ka  tsy  mihaino   ny  tenin’ny   mpanompon’ Andriamanitra  izay  mitondra hafatra  ho  azy . Mihatra  amin’ny vahoaka  rehetra  ny  vokatry  ny  tsy  firosoana  mba hanatona amin’ny fanetretena.

1-Aoka  ho  marina  ny  fibebahana 

Vavaka sy  fifonana amin’ny fifadiankanina  sy ny  lamba fisaonana ary ny    lavenona (and3)   no ataon’i Daniela . Mahatsiaro  ho  tomponandraikitra  amin’ny  heloka  sy ny  fahotan’ny firenena izy . Manao  fitarainana noho  ireo  fahadisoana  rehetra  (and5-14) fa  izany   no fibebahana  marina. Mitady  ny  tavan’ny  Tompo mba  ho  vita  fihavanana Aminy  indray  (and15-16) . Miverina  mahatsiaro fa  Izy   no  Mmonjy  fa tsy  misy  hafa .

2-Aoka  hatoky  ny famindrampon’ny Tompo 

Miseho  eto  ny fanehoana  ny finoana  ka tanisainy fa mihaino  ny Tompo  , mijery  ny  Tompo  ary  mamela  heloka ny  Tompo  (and17-19). Izay  mivavaka   àry  dia olona  feno  fahatokiana  ilay  hivavahana  ary  mahazo  antoka sahady  fa  ny  Tompo  Andriamanitra  no mpamela heloka . Manatona mitady  famindrampo  isika  raha mivavaka  toy izany  ka matokia. Izay  fitarainana  izao   dia tsy  noho  ny fitadiavana  famonjena  fa ny fanandratana  fa Andriamanitra  Tompon’ny hery  sy ny fahefana tokoa Ilay Jesoa Kristy  Mpamonjy  antsika  ary  azo  hatonina  amin’ny fo mibebaka  sady  matoky  ny  Tompo  mpamindra fo   sy  mpamela heloka.

Fanontaniana:

Inona no vavaka fifonana sy fibebahana efa nataonao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM