Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 08 Martsa 2018
Mibebaha eo anatrehan'ny Tompo
Joba 42.1-6
1 [Ny teny farany nataon'i Joba, sy ny nanomezan'Andriamanitra azy fiadanana indray] Ary Joba dia namaly an'i Jehovah ka nanao hoe: 2 Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao. 3 Iza no mahatakona ny fisainanao amin'ny tsi-fahalalana? Koa dia nilaza izay tsy fantatro aho, dia zava-mahagaga loatra amiko, izay tsy takatry ny saiko. 4 Mifona aminao aho, mihainoa, fa hiteny aho; Hanontany Anao aho, ka ampahafantaro. 5 Fandrenesan'ny sofina ihany no nandrenesako Anao; Fa ankehitriny izao kosa dia ny masoko no mahita Anao; 6 Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin'ny vovoka sy ny lavenona aho.Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Joba 42.1-6
Fantatrao fa hainao avokoa ny zavatra rehetra , ary tsy azo ferana ny fisainanao »
1-Manandratra ny Tompo ny mino
Mahatsapa ny fahalehibiazan’ Andriamanitra tokoa i Joba noho ireo toe-javatra nihatra tamin’ny fiainany . Miseho eto fa ny fihevitry ny Tompo dia tsy takatry ny saintsika olombelona loatra , ary mety mifanohitra amin’ny fisainantsika mihitsy aza izany . Alaim-panahy ny olona indraindray hanery ny heviny ho toy ny sitrapon’ny Tompo saingy noho ny famindrampon’ ny Tompo dia manafaka ao anatin’ny fahadisoan-kevitra hatrany Izy . Izy no anton’ny zavatra rehetra satria mifehy ny tantarantsika Izy .
2-Manatrika ny Tompo ny mino
Mifanatrika amin’ Andriamanitra isika raha mivavaka ary mahita ny fahalementsika eo anoloan’ny fahasoavany sy ny voninahiny . Tahaka izany i Joba eto, izay miaiky ka tsy misy azo ampitahaina amin’ny Tompo akory fa tena Andriamanitra lehibe Izy sady mitondra ny fiainantsika ao Aminy . Koa ny fifonana sy ny fibebahana no mendrika hatao eo anatrehany satria tsy nandeha araka ny sitrapony isika na efa nandre ny teniny aza . Aza hatao zavatra kely ary ny fanatonana sy ny fanatrehan’ny Tompo .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM