Mibebaha eo  anatrehan’ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 30 Martsa 2018

Mibebaha eo  anatrehan’ny Tompo

Marka 15.26-38
26 Ary ny soratra milaza ny nanamelohana Azy dia voasoratra teo amboniny hoe: MPANJAKAN'NY JIOSY. 27 Ary nisy jiolahy roa nohomboany tamin'ny hazo fijaliana koa, ny anankiray teo amin'ny ankavanany, ary ny anankiray teo amin'ny ankaviany. 28 *[*Ampio hoe: 28 Dia tanteraka ny Soratra Masina izay manao hoe: Ary natao ho isan'ny mpanota Izy (Isa. 53. 12)] 29 Ary izay nandalo niteny ratsy Azy sady nihifikifi-doha ka nanao hoe: Hià! ry Ilay maharava ny tempoly sy mahatsangana azy amin'ny hateloana, 30 vonjeo ny tenanao, ka midìna hiala amin'ny hazo fijaliana. 31 Ary toy izany koa no faneson'ny lohan'ny mpisorona, fa niresaka izy sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: Namonjy ny sasany Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena. 32 Aoka Kristy, Mpanjakan'ny Isiraely, hidina hiala amin'ny hazo fijaliana ankehitriny mba ho hitantsika ka hinoantsika. Ary ireo niaraka nohomboana taminy tamin'ny hazo fijaliana dia naneso Azy koa. 33 Ary nony tamin'ny ora fahenina, dia tonga maizina ny tany rehetra, ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy izany. 34 Ary tamin'ny ora fahasivy Jesosy dia niantso tamin'ny feo mahery ka nanao hoe: Eloy, Eloy, lamà sabaktany! izay hoe, raha adika: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no mahafoy Ahy Hianao? (Sal. 22. 2). 35 Ary ny sasany izay nijanona teo, raha nandre izany, dia nanao hoe: Indro, miantso an'i Elia Izy. 36 Ary ny anankiray nihazakazaka, dia nanatsoboka sipaonjy tamin'ny vinaingitra, ka notohiziny tamin'ny volotara, dia natohony hotsentsefin'i Jesosy, fa hoy izy: Aoka ho hizahantsika, na ho avy hampidina Azy Elia, na tsia. 37 Ary Jesosy niantso tamin'ny feo mahery, dia afaka ny ainy. 38 Ary ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany.

Mibebaha eo  anatrehan’ny Tompo

Marka 15.26-38

« Ary natao ho isan’ny mpanota  Izy » and 28

1-Ilay Mpanjakan’ny Jiosy

Mpanjakan’ny Jiosy  no nilazana  an’i Jesoa , satria avy amin’ny  Jiosy ny  famonjena  (Jao 4.22) . Noraisin’ny  Romana   ny valitenin’i Jesoa  tamin’ny Pilato  hoe : « Mpanjaka va ianao ? » , « voalazanao »(Jao 18.37). Nanaiky  ho faty  ilay  mpanjakan’ny  mpanjaka , Ilay  Mpitsara izao  tontolo  izao  mba hisolo  ny vahoakany  teo  amin’ny hazo fijaliana . Ny  mpitsara marina no notsaraina. Nasandratra   ho avo  teo amin’ny hazo fijaliana ho hitan’ny  olona i Jesoa  Mpanjaka  mba hahazoany famonjena.

2-Ilay Mesia Mpamonjy  sady Zanak’ Andriamanitra

Tsy  vonjena ny  Tompo  fa Mpamonjy , tsy  baikon’izao   tontolo izao Izy  fa manao  izay tiany  hatao  , tsy  azon’ny fakam-panahy  sy eson-teny  ary  ny famingavingana horesena . Kristy na Mesia Mpanjakan’ny Jiosy  i Jesoa . Ny  famonjena  izao  tontolo izao  dia ny faneken’i Jesoa Kristy  ny didim-pitsarana. Asan’Andriamanitra ny famonjena ny  mpamono olona  sy ny  mpanota. Fampihavanana ny  hazo fijaliana. Mitondra fibebahana ho an’izao tontolo izao  eo amin’ny hazo fijaliana ny Zanak’ Andriamanitra  . Izany  no mampiato  ny fahatezeran’ Andriamanitra  amintsika sy hahatonga  antsika  ho vita fihavanana Aminy .Mitaraina amin’ ho  antsika  Ilay  olombelona , lahitokan’ Andriamanitra  mba hamonjena antsika . Fanokafana  ny fanalahidin’ny lanitra hidirantsika ny fahafatesan’i Jesoa Kristy .

Fanontaniana :

Birao  Sekoly Alahady FOIBE FJKM