Mibebaha eo anatrehan’ny  Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 11 Martsa 2018

Mibebaha eo anatrehan'ny  Tompo

Lioka 15.25-32
25 Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy. 26 Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton'izany zavatra izany. 27 Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak'omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy. 28 Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy. 29 Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak'osy aza mba hifaliako amin'ny sakaizako; 30 fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin'ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak'omby nafahy ianao. 31 Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. 32 Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.

Mibebaha eo anatrehan’ny  Tompo

Lioka 15.25-32

 » Fa mety  ny  mifaly sy miravoravo  , fa ity  rahalahinao  ity efa maty  , fa  velona indray  ,ary  efa very  fa hita indray «  (and32).

Izany  teny   izany  koa  no maneho ny Tenin’ny Tompo  amin’izay tonga  amin’ny fifonana sy ny fiaiken-keloka  eo  anatrehany  .

1- Ifaliana satria  efa maty  fa velona indray 

Fanoharana  nataon’i Jesoa  mba hanazavany   ny antony nanatonan’ny  mpamory  hetra  sy ny  mpanota  hihaino   Azy ka nampimonomonona  ny Fariseo sy ny  mpanora-dalàna no hita eto . Aoka  hifaly  ny  fiangonana  rehefa  misy  olona miverina  miangona  indray  na dia efa  fotoana  ela aza tsy nahatongavany  . Fa avy amin’ Andriamanitra ny  mitaona  olona  hanatona Azy  , hoy i Jesoa ary Izy no mahay  manangana  ny  maty  sy manome azy fiainana . Mety  ny  manatona  ny  Tompo  na inona na inona  endri-pahotana . Mifaly  ny any an-danitra  noho  ny  mpanota mibebaka . Manatona hosasany  .

2-Ifaliana satria  « efa very  fa hita indray »

Jesoa Kristy  dia tonga hitady sy hamonjy ny very: tsy misy foiny  ho very  ny olony  sy ny ondry fiandriny . Izany  no nidinany tety an-tany . Ny olona anefa  no  mivily  sy maniasia  amin’ny ratsy  . Koa izany  no namelarany  ny Teniny  hitaona azy hiaiky  fahotana sy hibebaka eo anatrehany . Mahafaly ny  Tompo  ny mahita  antsika indray manompo Azy . Miandry  antsika ho tia sy hankato  ny Teniny Izy  . Manafy   antsika ho tia sy hankato ny Teniny  Izy  . Manafy  antsika fitafiana  vaovao  izy  sady mampisakafo  tsara  raha miverina eo aminy  isika . Aza  variana  any ivelan’ny vala sao ho very .

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM