Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo

Mofonaina anio: Alarobia, faha 14 Martsa 2018

Mibebaha eo anatrehan'ny Tompo

Joela 2.12-13
12 Koa na dia ankehitriny aza, hoy Jehovah, miverena amiko amin'ny fonareo rehetra ary amin'ny fifadian-kanina sy ny fitomaniana ary ny fitarainana. 13 Ary ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, ary miverena amin'i Jehovah Andriamanitrareo; Fa mamindra fo sy miantra Izy, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin'ny loza,

Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo

Joela 2.12-13

Fanaon’ny Jiosy rehefa tonga ny loza  ny  mandriatra   ny  fitafiany  sy  misikina  lamba fisaonana  ho fanehoany  ny alahelony   toy ny  fibebahany  sy  fitondrany   ny  fifonany   eo amin’ Andriamanitra tahaka ny ataon’i Jakoba  (Gen 37.34). Misy  endrika  telo  fiverenana amin’ny Tompo amin’ny fo rehetra eto:

1-Mifady  hanina:

Mamokàna  fotoana  hifantohana  amin’ny maha -mpanompon’Andriamanitra . Fa zava-dehibe  ny  manokana   fotoana hivavahana  sy  hanaovana  fifadian-kanina  raha hiatrika  zava-tsarotra  tahaka  ny nataon’i Estera rehefa namonjy  ny fireneny   izy  (Estera 4.16). Ny   fifadiankanina  nampianarin’i Jesoa  ny mpianany  dia fifadiana  mialoha ny ady  hatao  amin’ny devoly .

2-Mitomany  noho  ny fahotana vita 

Endrika  fibebahana  lalina  ny  ranomaso  tahaka an’ilay vehivavy  niankohoka  teo an-tongotry  ny Tompo  sady nanosotra  menaka  manitra . Mandray  ny  famonjena  satria tena mahatsapa ny  fahotana vita na ny fahadisoana  dia miverina amin’ny ranomaso .

3-Mitaraina  noho  ny antso vonjy 

« mamindra fo  aminay  ry  zanak’i Davida ô

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM