Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 21 Martsa 2018
Mibebaha eo anatrehan'ny Tompo
Lioka 15.1-7
1 Ary ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota nanatona hihaino an'i Jesosy. 2 Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy. 3 Fa Izy nanao izao fanoharana izao taminy hoe: 4 Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? 5 ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy; 6 ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very. 7 Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.Mibebaha eo anatrehan’ny Tompo
Lioka 15.1-7
Mahafaly ny Tompo ny fibebahana
1-Manatona ny Tompo ny olona mibebaka
Famaritana omen’ny Soratra masina eto fa ny fanatonana an’i Jesoa Kristy no tena fibebahana marina . Manapa-kevitra ireo mpamory hetra sy ny mpanota « nanatona hihaino an’i Jesoa « (and 1) . Raisiny sy asandrany izay manatona sy mihaino ny teniny :« ataony eny an-tsorony » (and5). Mahafaly an’i Jesoa ny mahita indray ny ondriny very, dia ny mpanota mibebaka . Tsy menatra izay manatona Azy i Jesoa . Tokana aman-tany ny olona tsirairay : tian’ i Jesoa ka tsy maintsy mitady azy ireo Izy .
2-Mitady ny very ny Tompo
Maro ny olom-boavonjy , fa tena sarobidy amin’ny Tompo ny anankiray very amin’ny ondriny . Hamonjy ny olona rehetra mpanota sy very no antony manokana nidinan’ Andriamanitra tety an-tany , tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy . Mitady ny maditrany i Jesoa . Tsy misy manana hevitra sy ho afaka mamonjy ny mpanota afa-tsy i Jesoa irery ihany . Manan-danja sady sarobidy amin’i Jesoa ny olombelona . Mitady sy manangona ny very Izy .
3-Mifaly miaraka amin’ny Tompo any an-danitra
Miombom-pifaliana ny mponina any an-danitra rehefa mibebaka ny mpanota . Mampiray fifaliana ety an-tany sy any an-danitra ny fibebahana ao amin’i Jesoa Kristy . Isan’ny làlana hahatongavan’ny mpanota any an-danitra ny fibebahana . Mahita antsika ny Tompo ao amin’ny fibebahana marina tokoa .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM