Mibebaha eo  anatrehan’ Andriamanitra 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 17 Martsa 2018

Mibebaha eo  anatrehan' Andriamanitra 

Salamo  25.4-11
4 Ampahafantaro ny lalanao aho, Jehovah ô; ampianaro ny sitrakao aho. 5 Tariho amin'ny fahamarinanao aho, ka ampianaro; fa Hianao no Andriamanitry ny famonjena ahy; Hianao no andrasako mandritra ny andro. 6 Tsarovy ny antranao sy ny indrafonao, Jehovah ô, fa hatrizay hatrizay ireny. 7 Aza ny fahotan'ny fahatanorako, na ny ratsy nataoko, no tsarovanao; fa aoka ho araka ny famindram-ponao no hahatsiarovanao ahy, noho ny fahasoavanao Jehovah ô, 8 Tsara sy mahitsy Jehovah, ka izany no ampianarany ny mpanota ny lalana. 9 Mitarika ny mpandefitra amin'ny marina Izy, ary mampianatra ny mpandefitra ny lalany. 10 Ny lalan'i Jehovah rehetra dia famindram-po sy fahamarinana amin'izay mitandrina ny fanekeny sy ny teni-vavolombelony. 11 Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.

Mibebaha eo  anatrehan’ Andriamanitra 

Salamo  25.4-11

Mivavaka amin’ny finoana ny  mino  

Salamo   abidy   fampiasa  andavanandro   sy   amin’ny fanompoampivavhana  teo  amin’Israely  ity Salamo  ity  . Manao vavaka  i Davida eo  amin’ny andininy  faha 4-7 , ary   ny and 8-15 dia fanambarany ny fahalalana  sy fatokiana  an’ Andriamanitra .

1-Mibebaka  ny  olona  matahotra an’i Jehovah

Mibebaka izay   matahotra   an’i  Jehovah  . Mibebaka  ny  amin’ny fahotana  vitany izy  (and11)  . Mizara  roa  ny  fotoana  nanotany   ka ibebahany  : tamin’ny  andron’ny fahatanorany  ary  amin’izao itenenany  izao . Tsy ampy  ny mijanona  eo  amin’ny fiaken-keloka  fa  mandroso  sy  miaina amin’ny fiainana vaovao . Mangataka  hizotra  amin’ny Tenin’ Andriamanitra  na ny lalàn’i Jehovah (and4) . Mangataka   ny  fampianaran’ Andriamanitra  ny  fahamarinana  sy ny  fanantenana  izy (and5) . Matoky  ny Tompo  ny  mpanompony  fa  tsy miova   i Jehovah .

2- Mahatoky   sy  marina Andriamanitra 

Miorina  amin’ny finoana an’ Andriamanitra   ny vavaka ataony . Manana   fanekem-pinoana matotra  ny  mpanao salamo  izay ilazany   an’ Andriamanitra  . Tsara sy mahitsy  i Jehovah  (and8), marina sy mamindra fo  (and10). Tsy  masiaka amin’izay   matahotra  azy Izy  ary mampianatra  ny  mpanohitra   handeha amin’ny fahamarinana . Io  toetran’ Andriamanitra  tsy reraka  mampianatra  sy mandefitra  io no  fanantenan’ny mpanota  sy ny diso  làlana  ka te- hiverina  Aminy  . Raisiny  izay   rehetra  manatona azy .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM