Mibebaha eo anatrehan’ Andriamanitra 

Mofonaina anio: Talata, faha 20 Martsa 2018

Mibebaha eo anatrehan' Andriamanitra 

Marka 6.7-13
7 Ary niantso ny roa ambin'ny folo lahy hankeo aminy Izy ka naniraka azy tsiroaroa sy nanome azy fahefana hamoaka fanahy maloto. 8 Ary nandrara azy Izy mba tsy hitondra zavatra ho any amin'ny halehany, na hanina, na kitapo, na vola* ao amin'ny fehin-kibony, afa-tsy tehina ihany.[*Gr. varahina] 9 Fa asio kapa ny tongotrareo; ary aza mitondra akanjo roa. 10 Ary hoy koa Izy taminy: Izay trano hidiranareo, dia mitoera ao mandra-pialanareo any. 11 Ary izay tanàna tsy hampandroso anareo, na tsy hihaino anareo, raha miala ianareo, dia ahintsano ny vovoka ao am-paladianareo ho vavolombelona aminy. 12 Dia lasa nandeha izy ireo ka nitory fa tokony hibebaka ny olona. 13 Ary demonia maro no navoakany; ary nohosorany diloilo ny marary maro ka nositraniny.

Mibebaha eo anatrehan’ Andriamanitra 

Marka 6.7-13

Miantso  sy maniraka ny mpianany  i Jesoa 

1-Hitory   ny fibebahana 

Hafatra   ampitondrain’i  Jesoa Kristy   ho entin’ny  mpianany  ny antso   ho amin’ny fibebahana . Ny fibebahana  ambaran’i Jesoa Kristy  eto   dia  ny   famahana  ny olombelona  , izay  fatoran’ny  demonia  sy ny fanahy maloto  . Ireo   nonmamatotra   ny  olombelona  tsy  ho afa-mamatotra  ny olombelona  tsy   ho afa- manatona  sy   mibebaka   eo anatrehan’i Jesoa Kristy  . Tsy  misy   olona  afaka   mamaha   fatorana   ny  tenany   fa   maniraka   ny  mpanompony   i Jesoa  hitondra fahafahana  ho  azy .

2-Maniraka   ny  mpianatra tsy  handeha irery  

Manambara   ny  fomba  fiasa i  Jesoa  mba hahatongavan’ny  mpanota  ho amin’ny  fahefana  iraka . Tsy   mandeha  irery  rehefa  hitory  amin’ny tanàna  sy vohitra  , hamoaka  fanahy  maloto  sy ny demonia . Tsy hanana fanahiana  amin’ny sakafo  sy ny fitafiana  fa hatoky  ny fitantanan’i Jesoa Kristy  . Izy   no manome  ny olona hampiantrano  ny irany  (and10).

3-Manome  fahefana  ny  mpianatra 

Omen’ny  Tompo  fahefana ny irany   mba hahatanteraka  ny asany . Mialoha  ny handehanana  dia omeny  maimaimpoana  izany fahefana  izany   fa tsy angatahina . Fahefan’i  Jesoa Kristy  ny mandrava  ny fahotana   sy ny asan’ny  demonia  ao  amin’ny olona   na ny  mpanota . Izany    koa no mahatonga  ny  iraka n ho  mahatoky   sy  hatoky ny Tompo  manoloana  ny ady atrehany  . Mampaitombo  isa  ny  mpino   i Jesoa  sady  hampiantrano  ny irany .

Fanontaniana:

Birao  Sekoly  Alahady FOIBE  FJKM