Mibebaha eo anatrehan’ Andriamanitra
Mofonaina anio: Alakamisy, faha 22 Martsa 2018
Mibebaha eo anatrehan' Andriamanitra
Malakia 2.1-6
1 [Ny tsi-fahamarinan'ny mpisorona, sy ny namalian'Andriamanitra azy] Ary ankehitriny, ry mpisorona, dia ho aminareo izao didy izao: 2 Raha tsy hihaino na handatsaka am-po ka hanome voninahitra ny anarako ianareo, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, dia halefako hamely anareo ny ozona, ka hozoniko ny tso-drano ataonareo; eny, efa voaozoko sahady izany, satria tsy nandatsaka am-po ianareo. 3 Indro, hasiako teny mafy ny voa afafinareo, ary hofafazako tain-droroha ny tavanareo, dia ny tain-droroha avy amin'ny andro firavoravoanareo; ary hailika miaraka aminy ianareo. 4 Dia ho fantatrareo fa nampitondra izany didy izany ho aminareo Aho, mba haharetan'ny fanekeko amin'i Levy*, hoy Jehovah, Tompon'ny maro. [Na: mba ho fanekeko amin'ny Levy zanany] 5 Ny fanekeko taminy dia fiainana sy fiadanana; ary nomeko azy ho fahatahorana izany, ka dia natahotra Ahy sy nangovitra teo anatrehan'ny anarako izy. 6 Ny lalàn'ny fahamarinana no teo am-bavany, ary tsy mba nisy tsi-fahamarinana teo amin'ny molony; tamin'ny fiadanana sy ny fahitsiana no niarahany nandeha tamiko, ary maro no nampialainy tamin'ny heloka.Mibebaha eo anatrehan’ Andriamanitra
Malakia 2.1-6
Omeo voninahitra ny Anaran’i Jehovah
Taorian’ny fiverenana avy tamin’ny fahababoana tany Babylona dia nipoitra ny olana ara-tsosialy sy fihariana ary fivavahana teo amin’Israely (Mal 3.5) . Tratran’ny tsy fisian-kanina ny firenena , tsy nazoto tamin’ny fivavahana sy ny fanaterana fanatitra tao amin’ny tempoly ny fiangonana(Mal 1.7-8) . Nalaimpanahy ihany koa ny taranak’i Levy sy ny mpisorona ka nandao ny fanompoana ka nanao asa tany ivelany . Nafoin’izy ireo ny asa fisoronana voatokana ho azy irery ihany .
1-Jehovah manozona izay tsy mibebaka
Tsy vahaolana amin’ny ozona mihatra ny fandaozana an’ Andriamanitra sy ny fivavahana aminy . Efa mihatra izany ozona izany : ho faty ny ambioka , « hofenoiko lavenona ny tavanareo« , ary ariana tahaka ny lavenona Israely (and3). Vahaolana hialana amin’ny loza ny fibebahana avy amin’ny Tenin’ny Tompo.
2-Loharanom-pitahiana ny Tenin’i Jehovah
Ny fanekena nataon’i Jehovah tamin’ny taranak’i levy na ny mpisorona dia fiainana ny fanekena no nitoerany tao amin’ny fiadanana , fahamarinana, fahitsiana ary nitaomany ny Israely ho amin’ny fibebahana . Miteny amin’ny mpisorona mpanao fisoronana sy fanompoana ao amin’ny Tempoly i Jehovah .Miverena ho amin’i Jehovah sy ny fanompoana Azy. Izany no làlan’ny fahamarinana . Izany no fialana amin’ny heloka ary izany no fanalana ny ozona sy ny tsy fahombiazana eo amin’ny firenena sy ny fiangonana .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM