Miavaka ny Andriamanintsika

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 29 Jona 2024

Joda. 24-25

Joda 1,24 - 25
24 Ary ho an'izay maharo anareo mba tsy ho tafintohina, ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana, 25 ho an'Andriamanitra tokana, Mpamonjy antsika, amin'ny alalan i Jesosy Kristy Tompontsika anie, ny voninahitra sy ny fahalehibiazana, ny fanjakana sy ny fahefana hatramin'ny taloha indrindra sy ankehitriny ary mandrakizay. Amena.

Miavaka ny Andriamanintsika

1- Maharo antsika Izy

Ny teny hoe maharo eto dia milaza ny fomba fiasan’ Andriamanitra. Toy ny mihazona zaza iray mba tsy ho azon’ny loza izay misy sy mitranga no hevitry ny teny eto. Miaro ny olona amin’ny herisetra mety hisy. Izany no ataon’Andriamanitra amin’ny olony ka tokony ataon’ny olona an-tsaina. Andriamanitra miavaka amin’ny asa ataony amintsika Izy. Izany no nanomezany ny Zanany ho famonjena antsika. Manafina antsika ao amin’i Jesoa Izy mba tsy hisy haharombaka antsika eo am-pelan- tanany. << Izaho no Izy, Ary tsy misy maharombaka amin’ny tanako; Miasa Aho, ka iza moa no mahasakana izany? >>> (Isa 43,13)

2- Hametraka antsika tsy hanan-tsiny:

Zava-dehibe izany tsy fananana tsiny eo anoloan’ny voninahitr Andriamanitra izany. kanefa dia izany indrindra no ataon’Andriamanitra amintsika. Satria tiany sy malalany isika. Ahoana moa no ahatonga izany? Tonga tsy manantsiny isika rehefa voadio amin’ny ran’i Jesoa Kristy. Tonga tsy manantsiny isika satria ny tsinintsika noho ny fahotantsika dia efa nesorin’i Jesoa ka noraisiny ho Azy. Dia indro fa tonga toy ireny tsy nanota ireny ery isika.

Fanontaniana:

Iza no heverintsika ho mahavita toy izany?

Sampana Sekoly Alahady Foibe