Miatrika zava-tsarotra ny olona
Mofonaina anio: Alahady, faha 13 Aogositra 2023
2 Koritiana 1. 8 - 11
2 Korintiana 1,8 - 11
8 Fa tsy tianay tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, ny amin'ny fahoriana izay nanjo anay tany Asia, fa novesarana indrindra mihoatra noho ny zakanay izahay, ka dia efa nafoinay na dia ny ainay aza; 9 eny, tsy nanampo izay ho velona intsony izahay, mba tsy hitokianay amin'ny tenanay, fa amin'Andriamanitra, Izay manangana ny maty ihany. 10 Ary Izy no nahafaka anay tamin'izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka ihany; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa, 11 satria ianareo koa miara-miasa ho anay amin'ny fivavahanareo mba hisaoran'ny maro ny aminay noho ny fahasoavana azonay tamin'ny nataon'ny maro.
Miatrika zava-tsarotra ny olona
Tany Azia i Paoly dia niloa-bava tamin’ny olona fa niatrika zava-tsarotra tokoa. Niteny izy tamin’izany hoe : niatrika fahoriana, novesarana zavatra mihoatra noho izay zaka ary na ny ainy aza dia efa
noheveriny hoe efa nafoy, izany hoe : toa efa tapitra ny androny. Marilhina fa ny zavatra izay natrehin’ i Paoly ary tantarainy eto, hoy ny mpahay baiboly, dia mbola hafa noho izay efa natrehiny araka izay
tantarain’ny Asa 19.23- 40 sy ny l Kor l5. 32. Ny tiana ambara izany dia efa tena fiainan’ny mpanara-dia ny Tompo mihitsy ny miatrika sy miaritra zava-tsarotra ka tsy tokony ho gaga na ho kivy sy hamoy fo
amin’izany ny Kristiana fa tena toy ny rivotra iainana mihitsy izany. Raha miatrika izany àry isika dia aoka tsy hihevitra fa toa tsy mamaly vavaka na manadino Andriamanitra ka lasa hanaotaofoana na mety
mitranga koa fandehanana mifindra fiangonana. Manana vaha-olana ho an’ny olona amin’izany ny Tompo .Na izany aza no niainan’i Paoly dia tsy mijanona amin’izany velively akory ny zavatra nihatra taminy araka izay hita eto. Hasehony fa eo ny Tompo Andriamanitra manampy ny olony fa tsy mjery ny fahavoazan’ny olony fotsiny akory. Mariho tsara mantsy eto fa raha nihevitra ny tenany ho efa maty mihitsy i Paoly tamin’ny zava-tsarotra nanjo azy dia mampiseho kosa izy eto fa tahaka ny nananganan’ny Tompo tamin’ny maty no niheverany ny famonjen’ny Tompo azy avy tamin’izany zava-tsarotra indrindra izany ary izany no hasehony ny olona eto mba itokisan’ny olona an’ Andriamanitra na inona na inona manjo azy.
Fanontaniana :
Misy ve ny zava-tsarotra manjo ny olona? Afaka manampy azy amin izany ve Andriamanitra?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM