Miatrika ady ny Zanak’Israely

Mofonaina anio: Alahady, faha 20 Aogositra 2023

EKSODOSY 17.8-16

EKSODOSY 17.8-16
8 Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin'ny Isiraely tao Refidima. 9 Dia hoy Mosesy tamin'i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin'ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon'ny havoana aho ka hitana ny tehin'Andriamanitra et? an-tanako. 10 Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy, ka niady tamin'ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon'ny havoana. 11 Ary raha nasandratr'i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita. 12 Fa efa vizana ny tanan'i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin'i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin'ny anila, ary ny iray kosa tamin'ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin'ny masoandro. 13 Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin'ny lelan-tsabatra. 14 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Soraty eo amin'ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin'i Josoa; fa hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin'ny lanitra. 15 Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi. 16 Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin'i Jehovah amin'ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin'izay taranany fara mandimby.

Miatrika ady ny Zanak’Israely

Ny anjara ady mivantana tsy maintsy ataon’ny olona

Lazain ‘ny tantara fa voalohany hiatrehan’ny zanak’Israely ady mivantana izao voalaza eto izao .Teo aloha mantsy dia ny Tompo Andriamanitra hatrany no miady mivantana ho azy ireo araka ny Eks 14.14 . Fa eto kosa dia miova ny fomba fiady amin’ny hoe : « mifidiana lehilahy ho antsika dia mandehana ka miadia amin’ny Amalekita » . Na izany aza tsy miova akory Andriamanitra mihevitra izay hanampiana ny olony hatrany Izy . Araka ny hita eto anefa dia tsy mijanona amin’ny fomba fiasa anankiray Izy amin’izany fiheverana ny olona izany , fa araka ny zava-misy no handaminany ny endriky ny fanampiany ny olona . Hita eto fa mizara roa ny fomba natrehana izany ady izany .

-Ny teny an-tany fiadina : Josoa sy ireo olona nofidiany no voalaza eto fa miatrika ady mivantana ary mampiasa fitaovam-piadiana toy ny sabatra mihitsy izy ireo .Amin’ny ady atrehan’ny olona araka izany na dia voalaza aza hoe : manampy Andriamanitra dia tsy hoe : mijery fotsiny akory ny olona , tsy hoe : miandry sy mamihin-tànana fotsiny akory ny olona fa tsy maintsy misy ny zavatra ,hetsika ,fandraisana andraikitra tandrify azy .

-Ny toerana faharoa niatrehan’ny olona izany ady izany dia teo an-tampon’ny havoana izay nataon’i Mosesy . Ny mpahay Baiboly dia milaza fa sarin’i Jesoa Kristy nanao sorona ny ainy sy nivavaka ho an’ny olona izany. Araka izany ,ny olona dia tsy maintsy manao izay tandrify azy, kanefa tsarovy fa eo hatrany ny Tompo .

Fanontaniana :

Misy anjaran’ny olona ihany ve ny ady atrehan’ny olona sa hiandry an’Andriamanitra hiady ho azy irery izy ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM