Miaro ny olony ny Tompo, ka

Mofonaina anio: Alahady, faha 16 Jona 2024

Asan'ny Apostoly 18. 5-11

Asan'ny Apostoly 18. 5-11
5 Ary rehefa tafidina avy tany Makedonia Silasy sy Timoty, dia voaterin'ny teny Paoly ka nanambara tamin'ny Jiosy fa Jesosy no Kristy. 6 Ary nony nanohitra sy niteny ratsy ireo, dia nanopakopa-damba izy ka nanao taminy hoe: Aoka ho ao an-dohanareo ny ranareo; afaka aho; ary amin'izao sisa izao dia hankany amin'ny jentilisa aho. 7 Ary raha niala teo izy, dia niditra tao an-tranon'ny lehilahy atao hoe Titosy Josto, izay nivavaka tamin'Andriamanitra; ary ny tranony nifanolotra tamin'ny synagoga. 8 Ary Krispo, mpanapaka ny synagoga, mbamin'ny ankohonany rehetra dia nino ny Tompo; ary maro koa ny Korintiana, raha nandre, dia nino ka natao batisa. 9 Ary ny Tompo niteny tamin'i Paoly tamin'ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina; 10 fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin'ity tanàna ity Aho. 11 Ary izy nitoetra teo herintaona sy enim-bolana ka nampianatra ny tenin'Andriamanitra teo aminy.

<< Ary ny Tompo niteny tamin’i Paoly tamin’ny fahitana nony alina ka nanao hoe: Aza matahotra, fa mitenena ihany, ka aza mangina >> and.9.

Miaro ny olony ny Tompo, ka

1- Mampahery azy:

Manoloana ny fanoherana sy fitenenen-dratsy nahazo an’i Paoly noho ny fitoriana ny Filazantsara tao Korinto dia niteny taminy ny Tompo hoe «aza matahotra ». Niteraka tahotra taminy ireo fanoherana nataon’ny olona ireo (vakio 1 Kor 2.3). Na aiza na aiza alehantsika ary na inona na inona ataontsika momba ny asan’ny Tompo dia tsarovy fa hitan’Andriamanitra ny toe-pontsika.

Tsapany ny alahelo sy ny fahoriana ary ny fangirifiriana mety hahazo antsika. Dia miteny ihany koa Izy amintsika anio hoe << aza matahotra ». Maharaka tsara ny manjo antsika Izy. Izany no mahatonga ny Tompo hiteny hoe «mitantana anao amin’ny tanana ankavanan’ny fahamarinako Aho. » (Isa. 41.10).

2- Mandray andraikitra ny aminy:

Efa hatrany am-piandohan’izao tontolo izao no maneho fa Andriamanitra dia sady miteny no miasa. Koa raha miteny tamin’i Paoly izy hoe «aza matahotra >> dia mandray andraikitra avy hatrany ho fanehoana izany amin’ny endrika hita maso sy azo tsapain-tanana. Hitantsika izany co amin’ny and. 10. Miditra an- tsehatra ary mandamina ny fiainan’ny olony Izy mba ahalavorary ny asa fanompoana ataon’i Paoly.

Hoy Jesoa: « Ary noho izany dia lazaiko aminareo hoe: Aza manahy ny amin’ny ainareo… » (Mat 6.25). Ny fomban Andriamanitra antsika dia tena zavatra azo tsapain-tanana.

Fanontaniana:

Inona no fanavotana efa nataon’ny Tompo taminao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe