Miaro ny olony amin’ny fahavalony ny Tompo

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 03 Jona 2024

Deoteronomia 7. 17-26

Deoteronomia 7. 17-26
17 Raha ianao hanao anakampo hoe: Maro noho izaho ireo firenena ireo, ka hataoko ahoana no fahay mandroaka azy? 18 dia aza matahotra azy ianao; fa tsarovy tsara izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao tamin'i Farao sy ny Egyptiana rehetra, 19 dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan'ny masonao, sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny tanana mahery ary ny sandry nahinjitra, izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka; fa toy izany no hataon'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny firenena rehetra izay atahoranao. 20 Ary ny fanenitra koa dia hampandehanin'i Jehovah Andriamanitrao ho eo aminy mandra-paharingan'izay sisa sy izay efa niery ka tsy hitanao. 21 Aza matahotra azy ianao; fa Jehovah Andriamanitrao no eo aminao, dia Andriamanitra lehibe sy mahatahotra. 22 Ary horoahin'i Jehovah Andriamanitrao eo alohanao tsikelikely ireny firenena ireny; tsy haharoaka azy faingana ianao, fandrao hihamaro ny bibi-dia ka hamely anao. 23 Fa hatolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy ka hataony mifanaritaka be ihany mandra-pahalany ritrany. 24 Dia hatolony eo an-tananao koa ny mpanjakany, ka ho foananao tsy ho re intsony at? ambanin'ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao, fa haringanao avokoa izy mandra-pahalaniny. 25 Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin'ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny ianao, fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izany. 26 Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona tahaka izany koa ianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.

1. Miaro ny olony amin’ny fahavalony ny Tompo (and 17-24)

Tao amin’ny Testamenta Taloha, dia nisy hatrany ireo firenena lehibe sy matanjaka. Ary rehefa matanjaka sy lehibe moa matetika dia manjakazaka, manao herisetra sy ny hery famoretana ary manindry aoka izany. Mazava ho azy fa matahotra azy ny kely noho izy. Saingy noho ny amin’i Jehovah izay Lehibe sy Avo Indrindra, momba ny firenena Isiraely, dia tsy nisy mihintsy teo amin’ny tantaran’io firenena io ka naharesy azy, afa-tsy tamin’ny fotoana indraindray izay tsy netezan’i Jehovah homba azy ireo, satria misy zavatra manohitra ny sitrapony tao. Ry havana, na kely aza isika dia tsy tokony hatahotra ny fahavalo satria ny Tompo no miady amin’ny toerantsika araka ny ambaran’ny Eksodosy 14.14: « Jehovah hiady ho anareo fa ianareo kosa hangina ».

2- Miaro ny olony amin’ny zava-boaozona ny Tompo (and 25-26)

Ny zava-boaozona eto dia ny singa izay mety ho volafotsy na volamena voasokitra, mety ho andriamanitra nivavahan’ireo fahavalo. Fahavetavetana amin’i Jehovah ireny ka mahatonga fanozonana tsy ahitana fitahiana Aminy. Ry havana, maro ny zava-boaozona mety hotsiriritintsika, toy ny fananana azo tamin’ny alalan’ny devoly…. Aleo fananana azo amin’ny fomba madio satria zava-boaozona izany. Ny zava-boaozona mantsy dia mandroaka fitahiana ary mitera-doza foana. Aoka isika hitandrina.

Fanontaniana

Mitanisa hoe zava-boaozona mety ho voatahiry ao an- tokatranotsika ao na taloha na ankehitriny?

Sampana Sekoly Alahady Foibe