MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO
Mofonaina anio: Alahady, faha 30 Jona 2024
Marka 8. 34-38
Marka 8. 34-38
34 Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy. 35 Fa na iza na iza no ta-hamonjy ny ainy, dia hahavery ary; ary na iza na iza no hahavery ny ainy noho ny amiko sy ny filazantsara, dia hamonjy izany. 36 Fa inona no soa azon'ny olona, raha mahazo izao tontolo izao aza, kanefa very ny ainy? 37 Fa inona no homen'ny olona ho takalon'ny ainy? 38 Fa na iza na iza no ho menatra Ahy sy ny teniko amin'ity taranaka sady mijangajanga no manota ity, dia ho menatra azy kosa ny Zanak'olona, raha avy amin'ny voninahitry ny Rainy mbamin'ny anjely masina.MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO
Rehefa avy niteny mafy an’i Petera i Jesoa dia nitodika tamin’ny vahoaka ary nampianatra ny olona fa ny fanarahana an’i Jesoa dia:
1- Safidy (and 34a)
Mazava ny filazan’i Jesoa hoe: « raha misy ta hanaraka Ahy.. », izany hoe tsy manery na iza na iza akory Izy hanaraka azy, satria ny teny fototra amin’ny hoe « ta hanaraka » rahateo dia midika hoe an-tsitrapo, na ihany koa am-pitiavana sy fifaliana ary mahita fahafinaretana amin’izany. Tsy fomban’i Jesoa rahateo ny manao an-terisetra! Ka moa maniry hanaraka azy ve ianao?
2- Mitaky fandavan-tena (and 34b)
Fa rehefa mandeha amin’ny sitrapo, manaraka an’i Jesoa, izany hoe manaiky ho mpianany, mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy ny olona, dia ampahafantariny kosa fa fandavan-tena no ilaina amin’izany. Ny dikan’ny hoe fandavan-tena dia hoe manao ho zava-dehibe ny fanarahana an’i Jesoa mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, ka i Jesoa hatrany no laharam-pahamehana, ary ny fanaovana ny sitrapony no imatesana sy tanterahina. Moa manaraka Azy marina ve ianao?
3- Itondrana hazofijaliana (and 34d)
Ny mahafinaritra amin’i Jesoa, dia Izy tsy mba mamely am-pitaka fa ambarany mazava mihitsy ihany koa fa hitondrana hazofijahana ny fanarahana Azy, fahavononona hiharitra sy hihafy izany ary mety hihatra aman’aina aza; kanefa ny tena mahafaly ihany koa dia izao: tsy very maina izany, fa izany no hahazoana antoka ny fiainana mandrakizay. Ny lalam-pandresena miezinezina dia mandalo amin’ny hazofijaliana.
Fanontaniana
Hatraiza ny fahavononanao hanaraka an’i Jesoa ?
Sampana Sekoly Alahady Foibe