Miara-miasa amin’izay hirahiny ny Tompo
Mofonaina anio: Alahady, faha 16 Jolay 2017
Eksodosy 7.14-25
14 [Ny loza folo loha namelezan'Andriamanitra ny tany Egypta. Voalohany: ny rano tonga rà] Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Efa mafy ny fon'i Farao, ka mandà tsy handefa ny olona izy. 15 Mankanesa ao aminy ianao rahampitso; indro, hivoaka ho any amin'ny rano izy; dia mijanona eo amoron'i Neily ianao ambara-pihaviny (ary ny tehina, ilay novàna ho menarana, ho entinao eny an-tananao), 16 dia lazao aminy hoe: Jehovah, Andriamanitry ny Hebreo, no naniraka ahy nankaty aminao hanao hoe: Alefaso ny oloko mba hanompoany Ahy any an-efitra; fa, indro, tsy nihaino ianao mandraka ankehitriny. 17 Koa izao no lazain'i Jehovah: Izao no hahafantaranao fa Izaho no Jehovah: indro, ny tehiko et? an-tanako no hikapohako ny rano ao Neily, ka ho tonga rà izy. 18 Dia ho faty ny hazandrano ao Neily, ka ho maimbo Neily, ary tsy ho tian'ny Egyptiana intsony ny hisotro ny rano ao. 19 Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Lazao amin'i Arona hoe: Raiso ny tehinao, ka ahinjiro ambonin'ny ranon'i Egypta ny tananao, dia ambonin'ny sampan-dranony sy ambonin'ny lahin-dranony, sy ambonin'ny heniheniny, ary ambonin'ny kamoriny rehetra, mba ho tonga rà ireny; ary hisy rà eran'ny tany Egypta rehetra, na amin'ny fitoeran-drano hazo na amin'ny fitoeran-drano vato. 20 Ary nataon'i Mosesy sy Arona izany, araka izay nandidian'i Jehovah; dia nanainga ny tehina izy ka namely ny rano tao Neily teo imason'i Farao sy teo imason'ny mpanompony, dia tonga rà ny rano rehetra tao Neily; 21 koa maty ny hazandrano izay tao Neily, dia maimbo Neily, ka tsy azon'ny Egyptiana nosotroina ny rano avy ao; ary ny rà dia nanerana ny tany Egypta rehetra. 22 Ary ny ombiasy teo Egypta, dia mba nanao toy izany koa tamin'ny fankatovany; ka dia nihamafy ny fon'i Farao, ka tsy nihaino azy mirahalahy izy, araka izay efa nolazain'i Jehovah. 23 Dia niverina Farao ka nankao an-tranony, kanefa tsy mba nahoany akory, na dia izany aza. 24 Dia nihady rano hosotroiny teo amoron'i Neily ny Egyptiana rehetra; fa tsy azony nisotroana ny rano tao Neily. 25 Ary nisy hafitoana taorian'ny namelezan'i Jehovah an'i Neily.
Manaiky ho vavolombelon’ny Tompo ny irany
Eksodosy 7.14-25
Miara-miasa amin’izay hirahiny ny Tompo
1-Miteny amin’izay irahiny ny Tompo
Nirahin’ Andriamanitra hisolo tena Azy teo anatrehan’i Farao i Mosesy . Miverina matetika eto ny hoe : »ary hoy i Jehovah tamin’i Mosesy » . Midika izany fa ny irak’ Andriamanitra dia itenenany mivantana . Ao amin’izany Tenin’ Andriamanitra mivantana aminy izany no hahafantarany ny sitrapon’ Andriamanitra sy ny vontoatin’ny iraka hampanaovina azy .Maniraka antsika Fiangonana htondra ny teniny koa ny Tompo . Mialoha izany anefa dia tsy maintsy manongilan-tsofina hihaino ny hafatra tian’ Andriamanitra ampitondraina antsika isika .
2-Manatanteraka izay nambaran’ny Tompo ny iraka
Rehefa voarain’i Mosesy tsara ny Tenin’ Andriamanitra dia notanterahiny an-tsakany sy an-davany . Tsy izay tian’i Mosesy natao no nataony teo anatrehan’i Farao fa izay nambaran’ Andriamanitra no jotanterahiny ary izay hafatr’ Andriamanitra no nambarany .Mpiara-miasa amin’ Andriamanitra ny olona irahiny ka Andriamanitra miteny , isika izay hirahina kosa dia mampita ny hafany sy manatanteraka izay nambarany. Ny iraka manaiky ho vavolombelon’ny Tompo dia sahy manambara ny hafany sy manatanteraka an-tsakany sy andavany izay nambarany . Izany rahateo no maha- iraka ny iraka .
Fanontaniana:
Manana fahasahiana ho iraky ny Tompo hitondra ny hafany eo anatrehan’ny manam-pahefana ve ianao ?
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM