Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo 

Mofonaina anio: Zoma, faha 22 Jona 2018

Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo 

Lioka 4:14‑20
14 Ary Jesosy niverina tamin'ny herin'ny Fanahy nankany Galilia; dia niely tamin'ny tany rehetra manodidina ny lazany.

Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo 

Lioka 4:14‑20

Indroa eto ny filazana ny fisiana sy ny fiasan’ny Fanahin’Andriamanitra ao amin’i Jesoa Kristy. Izany dia manery Azy tsy hitomoemoe-poana fa hihetsika sy hiasa mba hanatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra. Maro ny asa lehibe vokarin’ny Fanahin’ny Tompo eo amin’ny fiainan’ny olona fa ireto no voaresaka eto :

1 – Mitory ny filazantsara amin’ny malahelo

Iraka ataon’ny Tompo ary ampanaoviny ny Fiangonana ny fïtoriana ny Filazantsara. Ny hoe mitory ny Filazantsara dia fitaomana ny olona hanana anjara amin’ny asa fisoronana nataon’i Jesoa Kristy ho an’ny mpino Azy. Tokony ho an’ny olona rehetra izany raha ny marina (jereo Lio. 2:10‑11). Ny hoe: Filazantsara koa, ara-bakiteny dia milaza zavatra tsara amin’ny olona, manome zavatra tsara ny olona ary iza moa no omen’ny zavatra tsara ? Ny tsy manana indrindra ; ireo no tondroina amin’ny hoe: « malahelo » mba hilazana fa misy zavatra banga ao aminy ka hofenoin’ny Filazantsara.

2 – Milaza fanafahana ny mpifatotra

Ny hahafantarana ny hoe: mpifatotra dia olona migadra na olona voaheloka amin’ny ankapobeny. I Paoly izao dia voalaza hoe nanoratra taratasy tany am-pifatorana. Azo lazaina koa anefa fa voafatotry ny fahotana na fahazaran-dratsy na devoly ny olona ary ireny indrindra no hafahana eto. Ny olona manana ny Fanahy Masina rehetra dia tokony hahavita izany fanafahana izany koa mivonona ho isan’izany fa tsy hiseho ho voafatotra hatrany ka miandry fiantrana.

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM