Miantsoa fanafahana avy  amin’ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 24 Jona 2018

Miantsoa fanafahana avy  amin'ny Tompo

Jeremia 34:12 - 17
12 Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah hoe: 13 Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Izaho efa nanao fanekena tamin'ny razanareo tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta hiala tamin'ny trano nahandevozana nanao hoe: 14 Isam-pito taona samia mandefa ny Hebreo rahalahiny, izay namidy taminao; ka rehefa nanompo anao enin-taona izy, dia alefaso ho afaka; nefa ny razanareo tsy nihaino Ahy ka nanongilana ny sofiny. 15 Ary nibebaka ianareo androany ka nanao izay mahitsy eo imasoko tamin'ny niantsoanareo fanafahana, samy handefa ny rahalahiny avy; ary nanao fanekena teo anatrehako ianareo, dia tao amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako; 16 kanjo nivadika indray ianareo ka tsy nanamasina ny anarako, fa samy namerina ny ankizilahiny sy ny ankizivaviny, izay efa nalefanareo handeha araka izay tiany, dia nanandevo azy ho ankizilahiny sy ho ankizivaviny indray. 17 Koa izao no lazain'i Jehovah: Hianareo tsy nihaino Ahy ka tsy nety nitory fanafahana ho an'ny rahalahinareo sy ny namanareo avy; dia, indro, miantso fanafahana ho anareo kosa Aho, hoy Jehovah, nefa ho an'ny sabatra sy ny areti-mandringana ary ny mosary; ary hatolotro ho mpanjenjena any amin*'ny fanjakana rehetra amin'ny tany ianareo.[Na: ho fampangovitana]

Miantsoa fanafahana avy  amin’ny Tompo

Jeremia 34:12 – 17

Mahazatra sy fanaon’ny olona

1 – Manda ny Tenin’Andriamanitra

Voalaza eto fa nanao fanekena tamin’ny olona Andriamanitra tamin’ny andro nitondrany ny olona nivoaka ny tany Egypta. Efa fomba fiasan’Andriamanitra hatrany am-piandohana mihitsy ny fanaovana fanekena mba hanehoany ny fitiavany ny olona sy hampandraisana andraikitra ny olona satria ny fanekena dia tsy zavatra ataon’ny andaniny amin’ny ankilany fotsiny akory fa tena ifanaovan’ny roa tonta sy ifamatorana mihitsy aza. Ny fanekena dia zavatra nekena ankatoavina sy hotanterahina ka Andriamanitra dia tsy mba mivadi-panekena , saingy tsy mba marina tahaka izany ny olona. Tena zavatra fanaon’ny olona mihitsy ny tsy manaiky ny Tenin’Andriamanitra.

2 – Mody manaiky ny Tenin’Andriamanitra

Hitan’Andriamanitra fa ratsy ny ataon’ny olona kanefa tsy navela amin’izao ny olona fa notenenina sy nanarina. Nilaza fa hanaiky ny Tenin’Andriamanitra ny olona , kinanjo ny nataony ihany no mbola hataony hatrany. Heverina fa tena ratsy noho ny tsy manaiky avy hatrany aza ny mody manaiky satria tena mpamitaka sy mpandainga tsotra izao. Eto anefa dia haseho fa toetran’olona izany, izany hoe ratsy ny olona. mpihatsaravelantsihy. Nahatezitra an’Andriamanitra izany ka namaizany ny olona tamin’ny alalan’ny sabatra, ny areti-mandringana, ny mosary. Loza mihantona ho an’ny olona ny fivadihana amin’ny Tompo.

Fanontaniana :

Ahoana no ataonao raha mody manaiky ny teninao fotsiny ny zanakao ?

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM