Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 25 Jona 2018
Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo
Marka 5.1-9
1 Ary tonga teny am-pitan'ny ranomasina tao amin'ny tanin'ny Gerasena izy ireo. 2 Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin'izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin'ny fasana ka nifanena taminy, 3 fa nitoetra tao amin'ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin'ny gadra aza. 4 Fa efa nafatony matetika tanin'ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin'ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin'ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. 5 Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin'ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin'ny vato. 6 Fa nony nahita an'i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany 7 sady niantso tamin'ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin'Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy, 8 satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin'ity lehilahy ity, ry fanahy maloto. 9 Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay.Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Marka 5.1-9
Mampijaly ny olona amin’ny heriny ny devoly
1-Tsy voafehin’ny olona izany
Voalaza fa misy olona andevozin’ny devoly eto, any anaty fasana izy no mitoetra ary minanana mandrakariva no ataony ary hita fa manelingelina sy mampijaly ary mampatahotra olona mihitsy izany .Niezaka nifehy azy ihany ny olona tamin’ny alalan’ny famatorana ny tànany , ny tongony fa niala maina hatrany . Tsy voafehin’ny olona mihitsy ny devoly .Na dia tsy fahita aza angamba ny fisian’ny demoniaka toy izany eo amin’ny fiainan’ny kristiana ankehitriny dia manaiky isika fa mbola ampahorian’ny devoly ny kristiana min’ny ankapobeny ary na dia tsy voafehin’ny olona aza izany dia tsy mahazo mipetra-potsiny ny kristiana fa tsy maintsy mitady fomba handresena azy.
2-Resin’i Jesoa ny devoly
Vao nahita an’i Jesoa Kristy ilay fanahy ratsy dia voalaza eto fa niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany . Ambaran’ny mpahay Baiboly fa mariky ny fahambonian’i Jesoa Kristy manoloana ny hery rehetra izany . Ny fampiasana ny fomba fiteny hoe: »moa mifaninona akory izaho sy ianao ry Jesoa? » dia mba hanosehana an’i Jesoa tsy hiditra amin’ny zavatra ataony, kanefa i Jesoa Kristy vao mainka niditra. Ny dikan’ny nanontaniana ny anarany dia mba hahafahana mifehy azy(vakio ny tohin’ny tantara). Koa ny handresena ny devoly izany dia tsy misy afa-tsy ny herin’i Jesoa Kristy irery ihany. Koa mangataha izany Aminy ianao raha te-handresy izany .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM