Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Mofonaina anio: Alarobia, faha 27 Jona 2018
Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo
Matio 6.9-15
9 Koa amin'izany mivavaha toy izao ianareo: Rainay Izay any an-danitra, hohamasinina anie ny anaranao. 10 Ho tonga anie ny fanjakanao. Hatao anie ny sitraponao et? an-tany tahaka ny any an-danitra. 11 Omeo anay anio izay hanina sahaza ho anay. 12 Ary mamelà ny helokay* tahaka ny namelanay izay meloka** taminay. [*Na: trosa] [**Na:nitrosa] 13 Ary aza mitondra anay ho amin'ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin'ny* ratsy**. [*Na: amin'ilay] [** Ampio hoe: Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay. Amena] 14 Fa raha mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia mba hamela ny anareo kosa ny Rainareo Izay any an-danitra. 15 Fa raha tsy mamela ny fahadisoan'ny olona ianareo, dia tsy hamela ny fahadisoanareo ny Rainareo.Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Matio 6.9-15
Tokony ho efa ao ambavan’ny maro ny lehibe sy ny kely , ny vavaka nampianarin’ny Tompo . Mety mandeha amim-pahazarana fotsiny anefa rehefa manonona izany , na dia ho an’ny mpandray ny Fanasan’ny Tompo aza izay efa nampianarina manokana izany .Noho izany dia tokony ho ao an-tsaina ireto.
1-Ny ho an’Andriamanitra sy ho an’ny olona
Misy fanehoana mpisolo tena « nao sy « nay » eto ka ny « nao » dia maneho indrindra izay zavatra rehetra atolotry ny olona an’ Andriamanitra (ny fanjakanao, ny anaranao, ny sitraponao) ary ny « -nay » kosa dia maneho izay tadiavin’ny olona amin’ Andriamanitra : hanina sahaza ho anay, mamelà ny helokay tahaka ny amelanay , manafaha anay. Misy zavatra ifanolorana izany eto fa tsy mahazo mianina fotsiny amin’ny hoe:Andriamanitra dia mpanome sy mpanao zavatra ho an’ny olona hatrany, tsy maintsy misy fandraisan’ny olona anjara. Miomàna ianao manatanteraka izany .
2-Zava-dehibe ny fifamelana
Ambaran’ny fampianaran’i Jesoa Kristy eto fa izay mamela heloka no avelan’ Andriamanitra heloka ary izay tsy vonon-kamela heloka dia tsy misitraka izany . Tokony ho ao an-tsain’ny olona hatrany àry fa mpanota ny olona rehetra (jereo Sal 14.3/ Rom3.10) . Koa aza manantena ny havelan’ Andriamanitra heloka fotsiny fa atombohy amin’ny olona samy olona izany .
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM