Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo 

Mofonaina anio: Zoma, faha 01 Jona 2018

Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo 

Salamo 70.1-5
1 [Fangatataham-pamonjena] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Ho fampahatsiarovana. Andriamanitra ô, faingàna hanafaka ahy; Jehovah ô, faingàna hamonjy ahy. 2 Aoka ho menatra sy hangaihay izay mitady ny aiko; aoka hiamboho sy ho afa-baraka izay faly amin'ny manjo ahy; 3 Aoka hiamboho noho ny fahamenarany izay manao hoe: Hià! sakoa izay! 4 Aoka hifaly sy ho ravoravo aminao izay rehetra mitady Anao; ary aoka izay tia ny famonjenao hanao mandrakariva hoe: hankalazaina anie Andriamanitra. 5 Fa izaho dia ory sy malahelo; faingàna hankat? amiko, Andriamanitra ô; Mpamonjy sy Mpanafaka ahy Hianao; aza ela, Jehovah ô.

Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo 

Salamo 70.1-5

1-Antsoy faingana Izy (and1,5)

Aoka  isika hahatsiaro ho dodona ka  tsy  hangataka  andro intsony. Antsoy ny Tompo  fa  Izy  irery ihany  no azo  antoka  hanafaka  antsika amin’ny  fandriky  ny fahavalo sy izay  ta-hanisy ratsy . Hoy ny  Soratra masina : »Antsoy Aho , dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra  lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao » Jer 33.3

2-Apetraho Aminy ny ady (and 2,3)

Mety alaim-panahy isika ka hamaly  izay  manisy ratsy  antsika . Ampianarina isika hatoky  fa fitaovam-piadiana enti-mandresy  ny vavaka. »…mba ho menatra  sy hangaihay  ary ho afa-baraka izay  mitady  hanisy ratsy  sy mifaly amin’ny fahavoazantsika « . Angataho ny Tompo  handray  an-tànana amin’ny adintsika . « Jehovah  hiady  ho anareo , fa ianareo kosa hangina » (Eks 14.14).

3-Mivavaha  ho an’ny hafa (and4)

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM