Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo 

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 02 Jona 2018

Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo 

Eksodosy 3:7-12
7 Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian'ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon'ny mpampiasa azy; eny, fantatro ny alahelony; 8 dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin'ny tanan'ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin'izany tany izany ho any amin'izay tany soa sy malalaka, dia any amin'izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin'ny tanin'ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita. 9 Ary ankehitriny, indro, ny fitarainan'ny Zanak'Isiraely dia efa mby at? amiko, sady efa hitako koa ny fahoriana izay ampahorian'ny Egyptiana azy. 10 Koa avia ankehitriny ianao hirahiko ho any amin'i Farao hitondra ny Zanak'Isiraely oloko hivoaka avy any Egypta. 11 Fa hoy Mosesy tamin'Andriamanitra: Iza moa aho no hankany amin'i Farao sy hitondra ny Zanak'Isiraely hivoaka avy any Egypta? 12 Ary hoy Izy: Homba anao tokoa Aho; ary izao no famantarana ho anao fa Izaho no efa naniraka anao; rehefa entinao mivoaka avy any Egypta ny olona, dia hanompo an'Andriamanitra eto amin'ity tendrombohitra ity ianareo.

Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo 

Eksodosy 3:7-12

Ny Tompo no mpanafaka

Velon-taraina ny Zanak’Israely noho ny fampahoriana sy ny herim-pamoretana nampiharin’i Farao taminy (and. 9). Amin’ny fotoana toy izany indrindra no anehoan’ny Tompo ny fahefany tsy hay tohaina, manafaka ny olony.

1-Mahatsapa ny fahorian’ny olony Izy (and. 7)

« Ary hoy Jehovah: Efa hitako tokoa ny fahorian’ny oloko izay any Egypta, ary efa reko ny fitarainany noho ny ataon’ny mpampiasa azy; eny fantatro ny alahelony ». Raha miantso sy mitaraina Aminy tokoa isika dia aoka hino miaraka amin’izay koa fa mandre sy mahita ary mahatsapa izay manjo antsika Izy.

2- Efa nididna Izy hamonjy ny olony (and.8

Izy mihintsy no nirotsaka an-tsehatra amin’ny fanafahana ny vahoakany  amin’ny alalan’ny fanambarany fa nidina Izy. Efa nidina tety an-tany ny Tompo ka namonjy sy nanafaka antsika, araka ny nambaran’i Jesoa hoe: « Fa tsy nidina avy tany an-danitra aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’izay naniraka  Ahy. Ary izao no sitrapon’izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelaky hisy very izay rehetra nomena Ahy » (Jao. 6: 38-39)

3-Miantso olona Izy hitondra fanafahana (and. 10)

Fomban’Andriamanitra hatrizay ny miantso olona hiara-miasa Aminy hanatanterahany ny teny fikasany. Tsy mamela ny mpanompony hiady irery ny Tompo amin’izany fa manome toky sy fampanantenana ho azy, araka ny tenyny « Homba anao tokoa aho » (and. 12a)

Fanontaniana :

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM