Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Mofonaina anio: Talata, faha 05 Jona 2018
Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo
Salamo 69, 1-6
1 [Fitarainan'izay nenjehina sy nampahorina noho ny amin'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim. Nataon'i Davida. Vonjeo aho, Andriamanitra ô; fa efa mihatra amin'ny aiko ny rano.Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo
Salamo 69, 1-6
Manafaka amin’ny fahoriana ny Tompo
Ity Salamo ity dia mampiseho ny fitarainan’ny olona izay tra-pahoriana mafy. Milaza amintsika izany fa mety hiharam-pahoriana na fitsapana mahamay tokoa isika noho ireo fahavalo, na dia efa nanolo-tena ho an’ny Tompo aza. Inona àry no tokony hatao manoloana izany?
1- Ambarao amin’ny Tompo izay manjo antsika
Tsy mahavonjy tena intsony izy. Ny mitanisa ny fahavoazany sisa no azony natao: « Milentika amin’ny fota-mandrevo aho sady tsy mahita izay hifaharana… maimay ny tendako, pahina ny masoko, mahery izay ta-hahafaty ahy, dia ny fahavaloko tsy ahoan-tsy ahoana… mampanonitra ahy izay tsy nalaiko izy » (and. 2-5 DIEM) Betsaka amin’ny olona no iharam-pahavoazana mafy tahaka ny mpanao salamo eto. Saingy vitsy kosa no mahatsiaro hiantso an’Andriamanitra amin’izay mahatery azy. Antsoy Jesoa hanafaka ny fahoriana.
2-Manetre tena eo anatrehany (and. 6)
Na dia noho ny ataon’ny fahavalo aza no anton’izao fahavoazana manjo ny mpanao Salamo izao dia tsy mba nanamarin-tena teo anatrehan’ny Tompo izy. Toe-tsaina mpahazo ny maro ny fanamarina-tena sy fanomezan-tsiny ny hafa rehefa misy zava-mitranga. Miharihary eo anatrehan’ny Tompo ny momba antsika rehetra, hatramin’izay heverintsika ho miafina indrindra aza. Manetre tena tahaka ny mpanao Salamo, manao hoe: « Andriamanitra ô, Hianao mahalala ny hadalako; ary ny heloko tsy mba miafina aminao. « (and. 6)
Fanontaniana:
Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM