Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo

Mofonaina anio: Zoma, faha 08 Jona 2018

Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo

Galatiana 5, 13-15
1 Ho amin'ny fahafahana no nanafahan'i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin'ny zioga fanandevozana intsony.

Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo

Galatiana 5, 13-15

Ny olona afaka.

1- Afaka tamin’ny fanandevozan’ny lalàna.

Ny tena fahafahana dia fahalalahana hanao asa tsy an-tery, tsy noho ny tahotra ny lalàna fa noho ny fahatsiarovan-tena. Marina fa voararan’ny lalàna ohatra ny mangalatra, kanefa raha noho ny tahotra ny higadra fotsiny no antony tsy hanaovana izany dia tsy mbola ao ny tena fahafahana. Ny olona efa nafahan’i Kristy dia afaka tamin’ny fanandevozan’ny lalàna ka amin’ny finoana sy fitiavana no anatanterahany sy hankatoavany ny sitrapon’ Andriamanitra.

2- Afaka tamin’ny filan’ny nofo

Izay efa nafahan’i Kristy dia afaka tamin’ny asan’ny nofo izay nanandevo azy taloha toy ny fijangajangana, fahaloloana.fijejojejoana. fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fifankahalana. adiady, fahatezerana, fiafonafonana, fifandrafiana, fialonana, fidorohana, filalaovan-dratsy…sns… Toheriny mafy ireo rehetra ireo ka tsy havelany hanjaka intsony eo amin’ny fiainany.

3- Mifanompo amin’ny fitiavana

Ny fositra mampizarazara sy manapotika ny Fiangonana dia ny tsi-fitiavana. Ny Fanahy Masina no mampianatra sy mitarika antsika hifanompo sy hifankatia, ary koa hahaizantsika mitia na dia ny fahavalo aza. Izay rehetra tia no efa nahatanteraka ny lalàna. « Ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna «  (Rom. 13, 10)

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM