Miantsoa fanafahana avy  amin’ny  Tompo

Mofonaina anio: Asabotsy, faha 09 Jona 2018

Miantsoa fanafahana avy  amin'ny  Tompo

Salamo  22.1-11
1 [Fitarainana mafy noho ny fahoriana, ary fisaorana noho ny fahafahana, sy filazana ny handrosoan'ny fanjakan'Andriamanitra] Ho an'ny mpiventy hira. Alaieleth-hasahara. Salamo nataon'i Davida. Andriamanitra ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy ahy Hianao? Lavitra ny famonjena ahy ny tenin'ny fitarainako. 2 Andriamanitro ô, miantso aho nony andro, nefa tsy mamaly Hianao; ary nony alina, nefa tsy mahita fiononana aho. 3 Kanefa masina Hianao, Ry mipetraka eo ambonin'ny fideran'ny Isiraely. 4 Hianao no nitokian'ny razanay; Natoky izy, ka namonjy azy Hianao. 5 Hianao no nitarainany, ka afaka izy; Hianao no nitokiany, ka tsy menatra izy. 6 Ary izaho dia olitra, fa tsy olona, fandatsan'olona sy fanevatevam-bahoaka. 7 Izay rehetra mahita ahy dia manaraby ahy; manondro molotra izy sady mihifikifi-doha ka manao hoe: 8 Ankino amin'i Jehovah*, dia aoka Izy hamonjy azy; eny, aoka Izy hanafaka azy, raha mankasitraka azy Izy.[Na: Efa niankina tamin'i Jehovah izy] 9 Fa Hianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibo; nampandry ahy fahizay ianao, fony aho mbola nampinonoin'ny reniko; 10 Nankinina taminao hatrany am-bohoka aho; hatrany an-kibon-dreniko dia Andriamanitro Hianao. 11 Aza manalavitra ahy Hianao, fa akaiky ny fahoriana, sady tsy misy mpamonjy.

Miantsoa fanafahana avy  amin’ny  Tompo

Salamo  22.1-11

Mety hisy fotoana sarotra   izay   iheveran’ny olona  fa manadino   azy Andriamanitra. Amin’ny fotoana  toy izany  indrindra no vao mainka tokony hitadiavana Azy sy hiantsoana fanafahana avy Aminy :

1-Amin’ny alalan’ny vavaka :

« Andriamanitra ô, Andriamanitra ô! nahoana no dia mahafoy ahy ianao ? » (and1) . Miantso  an’ Andriamanitra  izy  ka mitaraina Aminy . Fantany  fa ao  amin’ Andriamanitra  ihany  no misy  ny fanafahana  amin’izao fahoriana lalina  manjo  azy izao. Inoany  fa mahita  ny fahoriany ny Tompo na dia toa tsy mihaino  ny fitarainany  sy tsy mamaly  azy aza. Toy izany  no fijoroana ho vavolombelona takiana amintsika kristiana manoloana ny fahoriana sy ny fanenjehana . Mety hanaraby  antsika mantsy ny olona  ka hanao hoe: aiza izay Andriamanitrareo no tsy   mamonjy  anareo  amin’izao fahoriana izao ? (and8) . Miantsoa  fanafahana  avy Aminy   . Tsy   hamela  antsika  ho  amin’ny fahafatesana  Izy  na dia  misy aza  izay  ady sarotra  tsy maintsy hosedraina .

2-Amin’ny fahatokiana Azy

Hita  taratra amin’izao vavaka  izao  koa ny finoana mafy  orina ananan’ny  mpanao salamo  ka hamerenany indray ny filazana izay efa nataon’ Andriamanitra tamin’ny lasa. Hoy indrindra izy: »Ianao no nitokian’ny razanay …Ianao  no nitarainanay…Ianao no nampivoaka ahy avy tao an-kibon-dreniko . Hatrany  an-kibon-dreniko  dia Andriamanitro Ianao « (and 4.5,10). Ny olona miandrandra fanafahana dia tsy maintsy hanana finoana tsy voahozongozona .

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM