Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo

Mofonaina anio: Alahady, faha 10 Jona 2018

Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo

Jaona 8.31-38
31 Dia hoy Jesosy tamin'ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin'ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa; 32 ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo. 33 Ary ireo dia namaly Azy ka nanao hoe: Taranak'i Abrahama izahay, fa tsy mba andevon'olona hatrizay ela izay; koa nahoana no ataonao hoe: Ho afaka ianareo? 34 Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay rehetra manota dia andevon'ny ota. 35 Fa ny andevo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva*; fa ny zanaka no mitoetra mandrakariva*. [*Gr. mandrakizay] 36 Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. 37 Fantatro ihany fa taranak'i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy, satria ny teniko tsy mitombo ao anatinareo. 38 Izay efa hitako tamin'ny Ray no lazaiko, ary ianareo kosa manao izay renareo tamin'ny rainareo.

Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo

Jaona 8.31-38

1-Jesoa no tena mpanafaka

Nihevitra ny Jiosy  fa noho  ny maha- taranak’i Abrahama  azy  dia tsy  mba andevo  na oviana na oviana izy ireo . Nambaran’i Jesoa kosa anefa  fa »…izay rehetra manota dia andevon’ny ota« (and34). Ary ny fanandevozana mampidi-doza indrindra dia ny ota.Ny fahandevozana hafa  dia ivelan’ny tena ihany, na vokatry  ny ataon’ny hafa . Ny fahotana kosa dia ao anaty. Amin’ny maha-zanak’ Andriamanitra an’i Jesoa dia Izy irery ihany  no mahafaka antsika araka ny Teniny  hoe: »Koa raha ny zanaka  no hahafaka anareo  dia ho afaka tokoa ianareo« (and36). Fa izay  takiana amintsika kosa dia:

2-Mila maharitra amin’ny Teniny 

Ny tena mpianatr’i Jesoa dia izay  maharitra  amin’ny teniny , izany hoe: izay manaiky am-pitiavana sy am-pifaliana hankato hatrany  ny fampianarany , mihaino sy manatanteraka izay lazainy . Tsy ampy ny hoe: manaiky am-bava fotsiny ihany fa izay vonona hanaraka an’i Jesoa no hahalala ny marina, dia ny fahalalana sy fanekena ny sitrapon’ Andriamanitra . Rehefa mahalala sy manaiky  ny sitrapon’ Andriamanitra ny  olona  ka manatanteraka izany eo amin’ny fiainany  dia izany  no tena fahafahana . Ambony  lavitra  noho ny fahafahana ara-toe-karena na ara-politika ny fahafahana ara-panahy . Ny firenena manana ny tena fahafahana dia izay firenena  manaiky sy manatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra . Raha maharitra  amin’ny fanarahana ny Tenin’ Andriamanitra isika dia ho afaka amin’ny voka-dratsin’ny fahotana , toy ny tsi-fahamarinana, ny kolikoly, ny fahalotoana rehetra.

Fanontaniana:

Birao Sekoly Alahady FOIBE FJKM