Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo 

Mofonaina anio: Alatsinainy, faha 11 Jona 2018

Miantsoa fanafahana avy amin'ny Tompo 

Daniela 6.17-24
17 Dia nandidy ny mpanjaka; ary nentina Daniela ka natsipy tao an-davaky ny liona. Dia niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy anao. 18 Ary nisy vato natampina ny vava-lavaka; ary ny mpanjaka nanomboka izany tamin'ny fanombohan-kaseny sy tamin'ny fanombohan-kasen'ny andriandahiny, mba tsy hovana ny teny ny amin'i Daniela. 19 Dia nody tany an-dapany ny mpanjaka ary tsy nitendry hanina mandritra ny alina, sady tsy nisy zava-maneno* nampidirina teo anatrehany, ary tsy nahita torimaso izy.[Na: zazavavy mpandihy] 20 Dia nifoha maraina koa ny mpanjaka ka nandeha faingana ho any amin'ny lavaky ny liona. 21 Ary nony tonga teo amin'ny lavaka izy, dia niantso an'i Daniela tamin'ny feo malahelo; eny, niteny ny mpanjaka ka nanao tamin'i Daniela hoe: Ry Daniela, mpanompon'Andriamanitra velona ô, moa Andriamanitrao Izay tompoinao mandrakariva mahavonjy anao amin'ny liona va? 22 Namaly ny mpanjaka Daniela hoe: Ry mpanjaka, ho velona mandrakizay anie ianao. 23 Andriamanitro efa naniraka ny anjeliny ka nanakombona ny vavan'ny liona tsy handratra ahy, satria fahamarinana no hitany tamiko; ary teo anatrehanao koa, ry mpanjaka ô, tsy nanao ratsy aho. 24 Dia faly indrindra ny mpanjaka, ka nasainy nakarina avy ao an-davaka Daniela. Dia nakarina avy tao an-davaka Daniela, ary tsy hita nisy naratra izy, satria nino an'Andriamaniny.

Miantsoa fanafahana avy amin’ny Tompo 

Daniela 6.17-24

Sahia mijoro ho vavolombelona 

Daniela  dia nampiseho  toetra  feno  fahamarinana. Tsy  nahasakana azy  hivavaka amin’i Jehovah ny didy navoakan’ny mpanjaka. Aminy  dia tsy  fandikan-dalàna ny  fivavahana. Ka dia  tsy  niafina izy  fa nanohy  ny fivavahany isanandro toy ny fanaony ihany. Tokony haka tahaka an’i Daniela isika, ka ho  sahy  hijoro  ho vavolombelona mba:

1-Ho fandresen-dahatra ny hafa 

Nalahelo  mafy  ny mpanjaka satria  tsy  maintsy  hatsipy ao an-davaky ny liona i Daniela . Ny  fitondrantenan’i Daniela nandritra  ny nahalalany  azy  no nahatonga  ity  mpanjaka jentilisa ity  hangoraka azy . Nahagaga fa nanjary nahay nanonona vavaka ho an’i Daniela ilay  mpanjaka jentilisa ka nanao  hoe: »Andriamanitrao izay tompoinao mandrakariva anie hamonjy  anao »(and. 17). Azo lazaina  fa tena vokatry  ny fony  tokoa  no  nanononany io vavaka io. Ny fijoroana ho vavolombelona  ataon’ny fiangonana dia fitaomana sy fandresen-dahatra ny hafa hivavaka amin’Andriamanitra.

2-Ho  fanehoana ny herin’ Andriamanitra  manafaka 

Nahatsiaro  ho voafitaka  ihany  ny mpanjaka raha namoaka  ilay didy  nahatonga izao  loza hihatra  amin’i Daniela  izao. Nanao  izay rehetra  azony  natao izy  hanafahana an’i Daniela, saingy tsy nahomby izany. Nody tamin’alahelo ny mpanjaka rehefa voatampina vato  ny vavalavaka nanipazana  azy. Tian’Andriamanitra haseho amin’izao fa Izy  no mamonjy  sy  manafaka  ary  manao fahagagana any  an-danitra sy ety an-tany , ary  Izy  no  mamonjy   an’i Daniela  tamin’ny  herin’ny  liona .

Fanontaniana: